“HAVILA SCHOOL” ANALAKELY : Nampiofana momba ny “Charcuterie artisanale”

Ny fampirantiana ny asa tanan’ireo mpiofana rehetra tamin’ny “MasterClass” maimaim-poana momba ny fanamboarana “Charcuterie” vita amin’ny akora voajanahary no “Buffet dinatoire” nokarakarain’ny Sekoly Ambony mpampiofana eo amin’ny tontolon’ny lakozia “Havila School” izay manana ny foiben-toerany eny Analakely, ny zoma lasa teo. Ity “MasterClass” maimaim-poana momba ny fanamboarana “Charcuterie” ity izay naharitra telo andro…

FANKALAZANA NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY “HEMOPHILIE” : Miisa 209 ireo mpikambana ao amin’ny “ABEHM”

Ny 17 aprily no fankalazana ny “Andro maneran-tany ho an’ny “Hemophilie” na ny fijininihan-drà lava. “Les femmes et les filles saignent aussi” no lohahevitra nanamarihana izany. Tsy diso anjara tamin’ity fankalazana ity ny teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny “Association pour le Bien Être des Hémophiles à Madagascar” na ny (ABEHM)…

ORINASA “VITAPLAST” ENY ANOSIZATO ANDREFANA : Hanamafy hatrany ny fitokonany ireo mpiasa

Hanohy ka hanamafy hatrany ny fitokonany ireo mpiasa ao amin’ny orinasa “Vitaplast” izay manana ny foiben-toerany eny Anosizato Andrefana raha mbola tsy mivaly ny fitakiana ny zo ara-tsendikalin’izy ireo. Ity zo ara-tsendikaly ity izay voakitikitika ho azy ireo satria dia manitsakitsaka izany ny filoha tale jeneralin’ity orinasa iasan’ireto mpiasan’ny orinasa “Vitaplast” ireto.

KAOMININA BEKOPAKA EO AMIN’NY LAFINY FIZAHAN-TANY : Entina hampandrosoana ny andavanandron’ireo mponina

Dinikasa izay notontosaina tamin’ny alalan’ny fihaonana, teny Faravohitra, no nentin’ny kaominina Bekopaka, hamahana ny olany any an-toerana sy ny lafiny fizahan-tany ao amin’ity kaominina ity sy ny Tsingin’i Bemaraha. Ity dinikasa izay nokarakarain’ny kaominina Bekopaka, ity dia nanasany, ireo minisitera voakasika sy ny sehatra tsy miankina eo amin’izay lafiny fizahan-tany izay.

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ANKIZIN’NY LALANA : “Ankizin’ny lalana manan-jo hanana kopia” no lohahevitra

Isaky ny 12 aprily no fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana. Tsy diso anjara tamin’izany fankalazana izany isika teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny Vovonana ho an’ny Fiaraha-monim-pirenena momba ny ankizy na ny “Plateforme de la Société Civile pour l’Enfance – PFSCE”. Mba hanamarihana izany dia nanatontosa hetsika, teny Antanimena, ny Vovonana, ny sabotsy lasa teo.

DELESTAZY : Niverina indray, ahiana hiha-mafy amin’ny main-tany ho an’Analamanga

Tato ho ato niverina ary tonga masiaka indray ny fahatapahan-jiro “Delestazy” eto Analamanga sy ny faritra manodidina. Toe-java-misy maneho fa tsy mbola nahitana vahaolana maharitra ity olana mitarika fahavoazana lehibe ho an’ny asa fiharian’ny isam-batan’olona ity. Afaka fotoana fohy dia hiditra anatin’ny vanimpotoanan’ny main-tany isika eto Madagasikara…