TOE-DRAHARAHAM-PIRENENA ANKEHITRINY : Nanao fanambarana iombonana ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina sy Ravalomanana

Taorian’ny dinika nifanaovan’izy ireo tany Paris anio zoma 11 aprily, dia nanao fanambarana iraisana i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, Filohan’ny Repoblika Malagasy teo aloha. Tao anatin’ity fanambarana ity dia naneho ny ahiahiny lalina izy ireo manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, ka niantso fiaraha-mientan’ny olompirenena rehetra ho amin’ny fandriampahalemana, ny fitonian’ny firenena ary ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

ORINASA “AXIAN TELECOM” : Nahazo famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara avy amin’ny “BEI”

Fifanaovan-tsonia teo amin’ny Banky eoropeanina momba ny fampiasam-bola na ny “Banque européenne d’investissement” (BEI) sy ny orinasa “Axian Telecom” no notontosaina teny Andraharo, ny 10 Aprily 2025. Fifanaovan-tsonian’ny roa tonta izay miompana amin’ny fampisitrahan’ny Banky eoropeanina momba ny fampiasam-bolana na ny “Banque européenne d’investissement”, famatsiam-bola, ny orinasa “Axian Telecom” izay mitentina 100 tapitrisa dolara.

“STAR TOUR PAQUES ANTSIRABE” : Ho hafanain’ny orinasa Star ny renivohitr’i Vakinankaratra

Ny faha-20 sy ny faha-21 aprily 2025 no hankalazana ny fetin’ny Paska sy ny Alatsinain’ny Paska. Tsy navelan’ny orinasa Star handalo fotsiny izany fotoana izany. Antony nikarakaran’ity orinasa ity fety antsoina hoe: “Star Tour Pâques Antsirabe” izay ahitana hetsika maro samihafa ho an’ny mponina eto Madagasikara. Izy io izay efa fanaon’ny Star isan-taona any amin’ny Renivohitr’i Vakinanakaratra…

« ASSOCIATION LE LEMURIEN-MAISON DE MADAGASCAR » : Mitondra hatrany ny anjara biriky any amin’ny Kaominina Antanetibe-Mahazaza

Noho ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo sy ny « Arbiochem Group », dia nozarain’ny Kaominina, izay tarihan’ny Ben’ny tanàna Dr Rakotonomenjanahary Firmin, ny alarobia 9 Aprily 2025, ireo akoholahy kely miisa 4.850. Ireo akohokely ireo izay novidin’ireo vehivavy isaky ny fokontany teto amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza…

“FIANAR REGGAE FESTIVAL” ANDIANY FAHA-10 : Hanomezana sehatra ny mozika “reggae”

Ny 18 aprily ka hatramin’ny 20 aprily 2025 no hotanterahana any amin’ny “Alliance Française Fianarantsoa” ny andiany faha-10 amin’ny “Fianar Reggae Festival” na ny FRF raha ny taona 2013 no nanatontosana ny andiany voalohany. Ity telo andro ity izay entina hampiroboroboana ny mozika reggae. Hampivondronana ihany koa ireo mpanakanto misehatra amin’ny reggae eto amintsika sy ireo avy any ivelan’ny Nosy.

FIFANINANANA “MADAGASCAR DATA SCIENCE REGIONAL HACKATHON” : Tontosaina mandritry ny efatra andro ny andiany voalohany

Ny andiany voalohany amin’ny fifaninanana “Madagascar data science regional hackathon” no tontosaina, eny Andraharo, nanomboka ny 7 aprily ka hatramin’ny 10 aprily 2025. Ity fifaninanana ity izay entina hanohanana ny siansa sy ny fampidirana ny teknolojia vaovao izay tsy azo ihodivirana intsony amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny “Intelligence Artificielle” na ny IA…