NOSY SAKATIA : Antso avo amin’ny Filoham-pirenena hampitsahatra ny fanalàna an-keriny ireo mponina

Mitohy ny fanaparam-pahefana sy ny fanalàna mponina an-keriny ao amin’ny Nosy Sakatia, noho ny tetikasa ifandrimbonan’ny orinasa vahiny GREEN MADA LAND sy ireo manampahefana Malagasy. Miantso indray ny Filoham-pirenena ireo fiarahamonim-pirenena, mba hampitsahatra izao fanitsakitsahana lalàna sy zo fototra izao, izay atao anaty herisetra sy fandrahonana, tsy ara-dalàna ary manohintohina ny fiainan’ny fokonolona amin’ny taniny nentim-paharazana.

MPIVAROTRA AO AMIN’NY TSENAN’ANDRAVOAHANGY AO AMBADIKY NY CSB II : Mitaraina noho ny fitakiana volabe tsy araka ny tokony ho izy

Manoloana ny fitakiam-bolaben’ny delegen’ny tsenan’Andravoahangy ao ambadiky ny CSB II amin’ireo mpivarotra “friperie” sy mpivarotra anana eny amin’ity tsena ity dia naneho ny heviny ireto mpivarotra ireto. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo, ny fitakiana satria tsy mangarahara. Ity vola takiana aminay mpivarotra ity dia efa naharitra herinandro mahery izao kanefa manomboka amin’ny Ar 15. 000 hatramin’ny Ar 300.000 izany.

MANAMARIKA NY FAHA-55 TAONANY NY RANO FISOTRO “EAU VIVE” : Manome fahafaham-po hatrany ny mpanjifa amin’ny alalan’ny fanatsarana

Tsy nitsahatra namolavola fomba fiasa vaovao mba hahazoana vokatra avo lenta hatramin’ny taona 1970 izay niforonany ny ozinina “Société d’Exploitation des Sources d’Eaux Minérales d’Andranovelona” na ny (SEMA). Tokantrano miisa 70 sy mponina maherin’ny 1.300 any amin’ny fokontanin’Andranovelona araka izany no hampisitrahan’ity ozinina ity tombontsoa…