Ny tontolo andron’ny Alahady 30 martsa dila teo, tetsy Ankasina, , izay misy ny « bet kneset » na trano fivavahana ho an’ireo mpanaraka ny finoana Hebreo notsrym, no nanamarihan’ireo mpanaraka ny fotoam-pinoana Hebreo notsrym ny Taom-baovao na « Rosh hashanah » Vory lanona teny an-toerana ireo mpino marobe…
Catégorie : Samihafa
ECOLE DOCTORALE : Voafahan-dalitra ny Conseil des Ministres ary atao tsinotsinona ny didim-pitsaran’ny Conseil d’Etat
Fanitsakitsahan-dalàna mifehy ny Ecoles doctorales misy eto Madagasikara sy fanaovana hosoka ary anarchies isan-karazany no manjaka ao amin’ny Ecole Doctorale iray antsoina hoe « Ecole Doctorale de Géochimie et Chimie Médicinale de Fianarantsoa (GEOCHIMED)…
ZANADRANAVALONA ANOSIMANJAKA : Nankalaza ny Alahamady faha-464 teny Anosimanjaka
Ny Alahamady faha-464 taona izay nankalazana ny Taombaovaon’ny Malagasy rehetra teny amin’ny Kianja Anosimanjaka no notontosain’ny Zanadranavalona Anosimanjaka izay eny amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka, ny sabotsy sy alahady ary alatsinainy 31 martsa 2025. Ity Taombaovao malagasy ity izay nosantarina tamin’ny arendrina sy ny manodidina izany ny sabotsy 29 martsa 2025 raha ny fanafanan’ny Orchestre PAP’S ny Alahamady no nalaza ny 30 martsa 2025…
“NPS ENERGIE” : Vovonana nomerika mahakasika ny sehatry ny angovo maharitra
Notontosain’ny “AIDES Développement” sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, teny amin’ny Louvre Antaninarenina, ny zoma 28 martsa 2025, ny lanonam-pamaranana ny tetikasa “TWEnex”. Tetikasa izay miompana amin’ny fampiasana angovo maharitra. Tamin’io fotoana io ihany koa anefa no nanoloran’izy ireo ny tetikasany vaovao antsoina hoe: “NPS énergie”.
“EFA ELA LOATRA… DIMY AMBY EFAPOLO TAONA” : Seho tokana anaty lapa atolotry ny Olombelo Ricky
“Efa ela loatra… Dimy amby efapolo taona” io no lohatenin’ny fampisehoana hotanterahan’i Olombelo Ricky eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina ny 6 aprily 2025. Seho tokana anaty lapa ity Revy ampitiavana be izay atolotry ny Olombelo Ricky ny mpankafy rehetra ity. Antony hanasany ny besinimaro mba ho avy hanotrona sy hiravoravo na ireo efa teo izany na ireo mpankafy vaovao…
“GLOBAL MONEY WEEK 2025” : Nampahafantarana ny vola sy ny tokony hampiasaina azy
“Araho amin’ny fahendrena, ampiasao ny volanao amin’ny fomba tsara” no lohahevitra nosafidian’ireo tompon’andraikitra mpikarakara ny “Global Money Week 2025” tamin’ity taona ity. Ity hetsika ity izay nentina nanentana sy nampianatra ny ankizy tanora ary ny olon-drehetra ny mahasarobidy ny vola sy ny tokony hampiasaina izany araka ny tokony ho izy…
TONTOLO NOMERIKA : Nifampizaran’ireo vehivavy traikefa ny “Woman Rock In Digital”
“Ny “Intelligence Artificielle” na ny “IA” izay tena efa miroborobo maneran-tany” no lohahevitry ny andiany fahaenina tamin’ny hetsika “Woman Rock In Digital” tamin’ity taona ity. Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ny teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fikambanana “Avana Hub”…
FIKAMBANANA « FHM » : Mijoro hampivondrona sy hitondra fampandrosoana
Ny volana novambra 2024 no nijoro ara-panjakana ny Fikambanan’ny Hebreo eto Madagasikara na « FHM » Antom-pisiany ny hamondrona ho iray ireo Gasy Hebreo eto Madagasikara mba ho fanatanterahana izay voarakitry ny « Torah » Ity farany izay azo lazaina fa sata fototra ijoroan’ireo mpino Hebreo maneran-tany. Anisan’ny mason-tsivana hahafahan’ireo liana amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny « FHM », araka izany, ny fanarahana amin’ny antsipiriany izay rehetra anatin’ny « Torah »…
VOVONANA “SOKA.CLUB” : Tontolo ara-dizitaly hikirakirana ny lalao
Efa miroso amin’ny lafiny nomerika avokoa amin’izao fotoana izao ny tontolo iainana ankehitriny. Izany indrindra no antony nananganan’ny orinasam-pifandraisana “Yas Madagasikara” ny Vovonana “Soka.Club” izay hampiatiana ny ara-dizitaly. Tanjon’ity orinasam-pifandraisana ity ny hanokatra teknolojia avo lenta mihavao hatrany ho an’ny tsirairay manerana ny Nosy sy ny eto amin’ny Kaontinanta Afrikanina.
FANDAHARANASA « SEKOLY YAS » ETO MADAGASIKARA : Hanavao sy hanorina sekoly miisa 30 amin’ity taona ity
Mpianatra miisa 45.600 amin’ireo faritra miisa 23 eto Madagasikara izay mandranto fahaizana amam-pahalalana amin’ireo trano fianarana mahatratra 207 isa izay misy efitrano 588 no nahazo tombontsoa tamin’ny fandaharan’asan’ny « Sekoly Yas » izay avy amin’ny « fondation Axian » sy ny « Yas Madagascar » nanomboka ny taona 2015 ka hatramin’izao…
