“Araho amin’ny fahendrena, ampiasao ny volanao amin’ny fomba tsara” no lohahevitra nosafidian’ireo tompon’andraikitra mpikarakara ny “Global Money Week 2025” tamin’ity taona ity. Ity hetsika ity izay nentina nanentana sy nampianatra ny ankizy tanora ary ny olon-drehetra ny mahasarobidy ny vola sy ny tokony hampiasaina izany araka ny tokony ho izy. Ny fanabeazana ara-bola eto Madagasikara izay mbola tsy ampy ka zava-dehibe ny hetsika tahaka izao.
Tsy ny vola taratasy ihany no nampahafantarina fa teo ihany koa ny vola nomerika. Ny fanabeazana ara-bola ny Malagasy araka izany no anjara biriky nandraisan’ ireo mpandray anjara tamin’izany mba hahatakaran’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny filàna indrindra fa ny fototry ny tahiry. Tanjona ny hahafahana mitantam- bola araka ny tokony ho izy. Nisy ny atrikasa natokana ho an’ny tanora sy ireo ankizy avy ao amin’ny “Maison des Enfants Vasakaosy” sy ireo mpianatra tao amin’ny EPP Sabotsy Namehana, tamin’ity hetsika ity. Ny hampahafantatra ny fikirakirana vola sy ny fitaizana ny besinimaro mba tsy ho mora ho voasoloky ka ho roboka amin’ireny resaka fampitomboana vola anatin’ny fotoana fohy amin’ny tambajotran-tserasera no tokony hatao satria fisolokiana no ambadik’ireny. Io rahateo no nibahan-toerana nandritry ny “Global Money Week 2025”.
Etsy ankilany dia manao antso avo mba ho mailo amin’ity resaka fanjanaham-bola ity, ny sekretera jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Ranaivoson Seheno. Misy ny sazy omena ireo mampanjanam-bola indrindra fa ireo any anaty tambajotran-tserasera raha toa ka mihoampampana loatra tsy araka ny tokony ho izy ny tahan-janabola alain’izy ireo. Ity hetsika “Global Money Week 2025” izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny Anosy, ny 19 martsa ka nifarana ny 23 martsa 2025 ity dia notohanan’ny orinasam-pifandraisana “Yas Madagasikara”. Izy ireo izay nanamarika ny “Global Week Money 2025” tamin’ny alalan’ny “MVola”. Nosokafana ny 10 martsa lasa teo, teny Imerintsiatosika, ny “Global Money Week 2025”, araka ny fanazavana voaray.


