“Efa ela loatra… Dimy amby efapolo taona” io no lohatenin’ny fampisehoana hotanterahan’i Olombelo Ricky eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina ny 6 aprily 2025. Seho tokana anaty lapa ity Revy ampitiavana be izay atolotry ny Olombelo Ricky ny mpankafy rehetra ity. Antony hanasany ny besinimaro mba ho avy hanotrona sy hiravoravo na ireo efa teo izany na ireo mpankafy vaovao.
Dimy amby efapolo taona izay no niarahany tamin’ireo mpankafy azy ka hamerenany an-kira indray izany fotoana izany amin’io alahady io. Ireo hira rehetra nahafantarana ny Olombelo Ricky hatramin’izay ka hatramin’izao araka izany dia saika hovetsoina amin’ity fampisehoana izay karakarain’ny “Louvto Company” ity avokoa. Ny tsara indrindra avy amin’ny mpanakanto sy ny tomponandraikitra mpikarakara no ho hita eny an-tsehatra mandritry ny ora maro. Mpanohana ofisialy ny fampisehoana ny orinasam-pifandraisana Yas sy ny zava-pisotro THB. Mpanohana ihany koa ny orinasam-piantohana NY HAVANA 67 ha sy ny “E-media”. Mpiara-miasa ny “Audacious-communication” sy ny “MANDA Seafood Le Restaurant” ary ny “Ticketplace”. Mpiara-miasa nomerika ny “YourTarget Agency/Webmaster Madagascar”. Maro ihany koa ireo haino aman-jery mpanohana sy mpiara-miasa dia ny “RDJ” , “ACEEM Radio”, Radio Don Bosco”, “TV PLUS Madagascar”, “Dream’in” , “Kolo TV/FM” , “Viva Madagascar”.
Hahafahana manjifa ny tapakilan’ity fampisehoana “Efa ela loatra… Dimy amby efapolo taona” ity ny ao amin’ny “ticketplace”, “Super Music” Analakely sy ny “Assurrance NY HAVANA 67Ha” ary ny eny amin’ny “Akoor Digue”, araka ny fanazavan’ny avy amin’ny “Louvto Company” izay tompon’andraikitra mpikarakara ny fampisehoana.


