MOZIKA AN-TANÀN-DEHIBE : Miala any indray ny “WoCo Urban Vibes” andiany fahatelo

Ny andiany fahatelo amin’ny “World Cola Urban Vibes” na ny (WoCo Urban Vibes) no hotanterahana, eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina, ny 5 aprily 2025. Hetsika izay entina hampiroboroboana ny tontolon’ny mozika an-tanàn-dehibe eto Madagasikara.

Ity gadona “urbain” izay mivoatra hatrany ity dia manana tanjona ny haneho ny talentan’ireo mpanakanto tanora no entina hampitana hafatra amin’ny alalan’ny mozika sy dihy ary fanehoana ara-javakanto hafa ihany koa. Ankoatra izay dia hifampizaran’ ireo mpanakanto vahiny sy eto an-toerana traikefa sy fahaiza-manao amin’ireo mpankafy ny gadona maoderina. Amin’ity andiany fahatelo ity dia mpanakanto malagasy miisa folo izay efa samy fanta-daza amin’ny mozika an-tanàn-dehibe no hiaka-tsehatra hanafana ny fampisehoana amin’io fotoana io. Anisan’izany i Ceasar, Rim-Ka, Mopcaan, Anatal, Lio, Parish, Ckycky, Lion Hill sy Madmax ary Agrad. Ireo mpanakanto ireo izay samy manana ny mampiavaka azy eo amin’ny famoronana sanganasa kanefa mahay mampifangaro gadona samihafa manaraka ny vanim-potoanan’ny fanasongadinana ny endrika vaovaon’ny mozika. Hiavaka araka izany ity andiany fahatelon’ny “WoCo Urban Vibes” ity na eo amin’ny seho an- tsehatra na ny eo amin’ny kalitao indrindra fa ny eo amin’ny fitaovana ampiasaina izay ezahana ampifanarahana amin’ny filàn’ ny mpankafin’ny ankehitriny.

Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny mpankafy no ihany hanomezana sehatra ny mpanakanto tanora sy ny zava-kantony mba hanasongadinana ny mozika an-tanàn-dehibe Malagasy. Ity hetsika iray izay manome lanja ny kolontsainan’ny dihy sy ny mozikaan-tanàn-dehibe ity dia tohanan’ny “World Cola”. Nahitam-pahombiazana satria nahasarika mpijery maro avokoa ireo andiany roa teo aloha tamin’ity hetsika “WoCo” ity, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara, teny Andranomahery, ny alakamisy 3 aprily 2025.

Vous aimerez aussi