ORINASA “VITAPLAST” ENY ANOSIZATO ANDREFANA : Hanamafy hatrany ny fitokonany ireo mpiasa

Hanohy ka hanamafy hatrany ny fitokonany ireo mpiasa ao amin’ny orinasa “Vitaplast” izay manana ny foiben-toerany eny Anosizato Andrefana raha mbola tsy mivaly ny fitakiana ny zo ara-tsendikalin’izy ireo. Ity zo ara-tsendikaly ity izay voakitikitika ho azy ireo satria dia manitsakitsaka izany ny filoha tale jeneralin’ity orinasa iasan’ireto mpiasan’ny orinasa “Vitaplast” ireto.

Fifanarahana iraisam-pirenena izay manome lanja ny zon’olombelona sy ny lalànan’ny asa izay fototry ny fampandrosoana anefa ny zo ara-tsendikaly mba tsy hamotika ny tontolon’ny asa. Tsy manaiky ny fanaovana antsojay atao amin’izy ireo araka izany ireto mpiasa ireto. Manao antso avo amin’ireo sehatra rehetra voakasika indrindra fa ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny zava-misy ireto mpiasa ao amin’ny orinasa “Vitaplast” ireto satria tsy avy amin’izy ireo ny fambolena korontana fa avy amin’ilay orinasa izay mihizingizina tsy hanatanteraka ny zo ara-tsendikalin’ireto mpiasa mitokona ireto. Atsaharo ny fampitahorana sy ny fanenjehana ny mpiasa raha tiana handroso ny firenena, hoy ny fanazavan’ireto mpiasan’ny orinasa “Vitaplast” eny Anosizato Andrefana ireto.

Vous aimerez aussi