Manan-jo haneho hevitra malalaka, hisitraka jiro sy rano, hitsabo tena raha tojo tsy fahasalamana, hianatra ireo Zaza Malagasy, handry fahalemana ny Ambanilanitra, hanana asa mahavelona sy sahaza azy ny isam-batan’olona,sns. Santionany ihany amin’ireo Zo fototra tsy maintsy ananan’ireo Vahoaka monina anatin’ny Firenena iray ireo. Moa ve misitraka feno na ny’ny ampahany amin’ireo ny Malagasy ?
“Tsia” avy hatrany ny valiny raha ny zavamisy iainana anivom-piaraha-monina ankehitriny no fakafakaina. Vahoaka Malagasy miaina anatin’ny fijaliana, fahantrana, fanabadoana manara-penitra. Ny tena “loza” manomboka mitsoa-ponenana ny Tanindrazany ireo Malagasy Tsy mahazaka intsony ny Ziogan’ny fampahantrana ataon’ireo Mpitondra maty eritreritra tsy mahafantatra ary tsy te hahalala afa tsy ny tombontsoa ho azy samirery, ny fianakaviany ary ireo Akamany tsy foiny.
Andro vitsy isika Malagasy sisa dia hanamarika ny faha-65 Taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Moa ve nahavita ny adidy aman’andraikitra napetraky ny Vahoaka Malagasy taminy dia ny fiahiana azy ireo amin’ny lafiny rehetra ny fitondrana tarihan’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina sa nanao izay nanesorana tanteraka ireo Zo fototra sy ny fanosihosena ny maha Olona ? Anjaran’ny tsirairay ny mamaly izany. Hatreto aloha mbola mijanona ho tononkira fotsiny ihany ilay hoe : “…. Hiadana sy ho finaritra…” voarakitra anatin’ny sidikinina Malagasy. Azo hatao tsara anefa ny hampiadana ny Malagasy amin’ireo Harena voajanahary tsy hita noanoa ananany.
Manan-jo hisitraka izany koa mantsy ny Vahoaka rehetra monina ambonin’ity Nosy misarin-tongotra ankavia ity fa tsy ireo Olom-bitsy manana fahefana hatrany no hitavana izany. Mila mandinin-tena lalina isika mianakavy fa tsy mitsahatry ny “mandrorona” amin’ny lafiny rehetra (Toe-tsaina, toe-karena, sns) ny Firenena. Raha fintinina, lavitry ny fampandrosoana fa mihazakazaka malaky ho any amin’ny hantsan’ny fihemorana miteraka fahantrana mitarika fijaliana mahery vaika isika Malagasy.


