Lanonana maro sosona no notontosaina teny amin’ny kaominina Ampitatafika, ny alatsinainy 7 jolay 2025. Teo aloha ny fanolorana loka ireo ankizy mpianatra tsara naoty indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE 2025. Ankoatra izay dia ny fanolorana amboara tamin’ny fifaninana ara-panatanjahantena nokarakarain’ny distrika izay ny kaominina Ampitatafika no nivoaka mpandresy.
Catégorie : Samihafa
FIFANINANANA HAZAKAZAKA AM-BISIKILETA “RODORODON’IARIVO” : Tontosa ny alahady lasa teo
Ny alahady 6 jolay 2025 no nanatontosana ilay fifaninanana hazakazaka am-bisikileta “Rodorodon’Iarivo” izay nokarakarain’ny “Ligue Cyclisme Analamanga” na ny (LCYA). Izy io izay niainga teny Soavimasoandro ka nifarana teny Imerikasinina. Halaviran-dalana 32km sy 60 km ary 72km no nandraisan’ireo mpifaninana hazakazaka am-bisikileta ireo anjara amin’izany.
KAOPERATIVA SILOAMA : Manasongadina ny fiompiana trondro eny Ambatolampy Tsimahafotsy
Anisan’ireo mandray anjara amin’ilay “Tsenaben’ny hazandrano” na ny “Foires des produits halieutiques” andiany fahadimy izay tontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny kaoperativa Sehatra Iombonana LOharano Anovozana MAmy na ny SILOAMA. Ity kaoperativa ity izay hikambanan’ireo fikambanana mpiompy trondro miisa 180 any amin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy…
FAHASALAMANA : Mila mitandrina ny tsirairay
Tranga mbola mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny fanapoizinana ara-tsakafo niniana natao sy ny poizina azo avy amin’ny sakafo na ny “Botulisme” izay niseho teto amintsika, ny volana jona lasa teo. Zava-nisy izay nandripaka ain’olona maro na ho an’ny teto afovoan-tany na ho an’ny tany amin’ny faritra…
TSENABEN’NY HAZANDRANO : Anisan’ireo mpandray anjara ny mpanjono sy mpanodina vokatra avy any Belo sur Tsiribihina sy Belo sur Mer
Ny hampifanakaikezana ny mpamokatra sy ny mpivarotra ary ny mpivarotra sy ny mpanjifa no anisany tanjona amin’ilay “Foires des produits halieutiques” na ny Tsenaben’ny hazandrano izay tanterahana eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ity andiany fahadimy ity izay natokana ho amin’ny fampiakarana ny tahan’ny fanjifana sy ny fihinanana hazandrano na trondro eto amintsika. Izy io izay fantatra fa mbola ambany amin’izao fotoana izao raha mihoatra amin’ny Firenena hafa.
ANTOKO TIM ANDOHARANOFOTSY : Velona ary manohy ireo asa fampandrosoana
Velona ary manohy miasa hatrany ny Antoko Tiako i Madagasikara etsy Andoharanofotsy, hoy ny filohan’ny Com TIM Andoharanofotsy Raharimanana Fanja. « Tsy natao hahakivy ny tsy fahombiazana tamin’ny fandraisana anjara teo amin’ny niatrehana ny fifidianana ben’ny tanana farany teo fa nakana lesona ho fanitsiana ny dia ho amin’ny fiatrehana ny ho avy izany », hoy, hatrany izy.
MOMPERA MARC : 55 Taona nitsaboana ny vatana, saina ary fanahy
Mompera Flavier Noël Rakotomamonjy, fantatry ny maro amin’ny hoe : Mompera Marc. Pretra avy ao amin’ny Eglise catholique Orthodoxe avy amin’ny Patriarcat d’Antioche et de Jérusalem izy. Ao amin’ny Paroisse Sainte Thérèse de la très Sainte Trinité, Antsirabe Andranonahoatra no misy ny foiben’ny Eglise catholique orthodoxe de Patriarcat d’Antioche et de Jérusalem ho an’ny eto Madagasikara.
HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHALAHY NA MAHAVAVY : Asongadina ihany koa amin’ny alalan’ ny tetikasa “VATAKO-L’OREAL”
Antom-pijoroan’ny “Réseau Association des Femmes Samaritaines” na ny “Réseau AFSA” nandritry ny 30 taona teto Madagasikara ny hampihena ny trangan’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy. Izany indrindra no hiseharan’izy ireo manokana eo amin’ny ady momba izany. Mba hanamafisana ny fanitaram-pahalalana sy ny fanavaozana ireo tsara ho fantatra rehetra rehefa misy ny trangan’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy dia nanatontosa dinik’asa, teny Antaninarenina, ny “Réseau AFSA”, ny alatsinainy 30 jona 2025.
FAMADIHANA SAFIDIM-BAHOAKA TANY BEKOPAKA : Nirotsaka an-dalambe ireo mponina
Malahelo ireo mponina any amin’ny Kaominina Bekopaka amin’izao fotoana izao. Antony dia satria novaina ny safidin’izy ireo tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo. Ny kandida Miandrizoky Jean Bapiste Franklin izay nitondra ny laharana fahaefatra no lany voafidy ho ben’ny tanàna tao amin’ity kaominina ity kanefa dia novaina ho kandida hafa izany.
TSY FANJARIAN-TSAKAFO ETO MADAGASIKARA : 50 % amin’ny ankizy latsaky ny 5 taona dia tratran’izany avokoa
Ny “rendez-vous du REMAPSEN” no hetsika notontosain’ny tambajotra iombonan’ireo mpanao gazety ao anaty haino vaky jery misehatra eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny tontolo iainana na ny “REMAPSEN”, ny zoma 27 jona 2025, teny amin’ny “OJM” Ambohidahy. Io fotoana io izay niresahana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Na ny olon-dehibe na ny ankizy na ny zaza araka izany dia tratran’io tsy fanjarian-tsakafo io avokoa.
