ASSOCIATION « FLEUR BLEUE » : Mandray anjara feno ho amin’ny fampandrosoana

Mompera Marc, amperinasa mizara ny traikefany amin’ireo mpiofana.

Ny taona 1999 no nanorenan-dRakotomamonjy Flavier Noël ny fikambanana « Fleur bleue » tany Andranonahoatra Antsirabe. Tanjona ho an’ny fikambanana ny fampivoarana ny Olombelona amin’ny lafiny manontolo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay noho ny fahatsapana fa miaina anaty fahantrana lalina ny Malagasy maroanisa.

« ASSOCIATION SPORTIVE NOUVEL ESPOIR » : Mijoro manabe voho hatrany ny baolina kitra

Ny « ANSE », sehatra ivelan’ireo ho taniketsan’ny baolina kitra malagasy

Ny 21 may 2018 no niorina ny « Association Sportive Nouvel Espoir ». Antom-pisiany ny hamolavola sy hitaiza ireo kilonga madinika mba hanana ny hoaviny mamiratra eo amin’ny fiangaliana ny taranja baolina kitra. Misy, araka izany, ny fampiofanana sy ny fitiliana ny talenta ananan’ireo ankizy miisa manodidina ny folo ambiny zato beazina eo anivon’ny « Association Sportive Nouvel Espoir » ankehitriny.

SENDIKA « SEMPHAMAKRI » : Mitondra ainga vao ho an’ny tontolon’ny harena ankibon’ny tany

Ireo vovonana iadian’ny lohany eo anivon’ny « Semphamakri ».

« Semphamakri » Sendika Mpandraharaha Harena ankibon’ny tany Malagasy Kristianina. Ny Semphamakri izay federasiona iray anatin’ny SEKRIMA « Sendikà Kristianina Malagasy ». Antom-pisiany ny hampivondrona ireo mpisehatra sy mpandraharaha isan-tokony eo amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany sy ny hampiditra ireo mandraharaha eo amin’ny tontolon’ny harena ankibon’ny tany ho ao anatin’ny sehatra manara-dalana (Secteur formel).

ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY FAHAIZA-MANAON’NY TANORA : Hiompana amin’ny fampiasana ny ilon-tsaina nomerika ny fankalazana

Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora

Ny 15 ka hatramin’ny 19 jolay 2025 no hanatanterahantsika eto Madagasikara ny Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora. Ity andiany fahatelo ity izay iarahan’ny Ministeran’ny Asam-panjakana sy ny asa sosialy, ny Ministeran’ny Fampianarana teknika, ny fampanana’asa sy ny Antenimieran’ny Varotra ary ny “Entreprendre à Madagascar”, miara- miasa…

AJEEM MADAGASCAR : Hanatanteraka ny ” Salon de l’interprétariat et des langues internationales”

Salon de l'interprétariat et des langues internationales

Ny “SALON DE L’INTERPRETARIAT ET DES LANGUES INTERNATIONALES” andiany faha-43 no hetsika hotanterahana eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny alakamisy 10 sy ny zoma 11 jolay 2025. Fihaonan’ireo matihanina amin’ny fampianarana teny vahiny ny hetsika. Ny avy ao amin’ny “AJEEM Madagascar” no tompon’andraikitra mpikarakara ity hetsika mandritry ny roa izay handoavana saram-pidirana Ar 1.000 ity.

RFF « FJKM AMPARIBE FAMONJENA » : 25 Taona nanabeazana Tanora mba ho vanona

RFF FJKM Amparibe Famonjena

« Rantsana Fanatanjahatena sy Fialam-boly » na RFF Sampana mijoro eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena. Misehatra amin’ny fitaizana ireo mpikambana hiova fo ho Kristianina ho andrin’ny fianakaviana sy ny firenena. Ny lafiny fanaovana ny fanatanjahatena sy ny filalaovana ny hira sy ny mozika. Ireo no sehatrasa ataon’ny RFF FJKM Amparibe Famonjena ho entiny manatratra ny tanjona dia ny hamolavola tanora Kristianina vanona…