ANTOKO POLITIKA « FY-M » : « Ny Vahoaka no tompon’ny fampandrosoana fa tsy ny Mpitondra fanjakana… »

Ramatoa Rakotonirina Seconde, Mpandrindra nasionalin’ny « Fy-M » sy ny Sekretera Jeneraliny Mbe Marcellin

« Fandrosoan’ny faritra iaby ho an’i Madagasikara » Midika hoe : Rehefa mandroso ny faritra tsirairay dia mandroso i Madagasikara. Ny 05 aprily 2023 no nijoro ara-panjakana taorian’ny nahazoana ny « Récépissé » Any Maintirano, faritra Melaky no misy ny foiben-toeran’ny Antoko Fy-M izay tarihan’ny filoha nasionaliny Raderanirina Sendrison.

FAMPIHENANA NY FAMPIASANA SACHET SY PLASTIKA : Nasongadina tamin’ny alalan’ny vaky boky

Ikotosachet

Fitantarana angano tamin’ny alalan’ny vaky boky no paikady nentin’ny mpanoratra Andrianimerina Hobiana sy ny Tranom-panontana boky “Tsipika” hanabeazana ireo ankizy mpianatra amin’izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe izao. Fitantarana angano izay manana tanjona ny hampita hafatra eo amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana manoloana ny fandotoana maro isan-karazany ateraky ny sachet sy ny plastika.

FIKAMBANANA “MPIKABARY HAJAN’NY GASY” : Tsy anavahana sokajy na taona ny fianarana kabary fa afaka mahafehy izany ny rehetra

Rahajasoa Honoré, Hajan'ny Gasy

Nanomboka ny taona 2015 nijoroan’ny fikambanana “Mpikabary Hajan’ny Gasy”, izay tarihan’ny filoha nasionalin’ny Rahajasoa Honoré, dia efa aman-jatony maro ireo mpianatra navoakan’ny fikambanana ho mpikabary matihanina. Ireo avy nandranto fahaizana amam-pahalalana ireo izay tonga dia efa afaka mikabary avy hatrany amin’ireo kazaran-kabary misy eto amintsika…