FAMPIHENANA NY FAMPIASANA SACHET SY PLASTIKA : Nasongadina tamin’ny alalan’ny vaky boky

Fitantarana angano tamin’ny alalan’ny vaky boky no paikady nentin’ny mpanoratra Andrianimerina Hobiana sy ny Tranom-panontana boky “Tsipika” hanabeazana ireo ankizy mpianatra amin’izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe izao. Fitantarana angano izay manana tanjona ny hampita hafatra eo amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana manoloana ny fandotoana maro isan-karazany ateraky ny sachet sy ny plastika.

Ny sabotsy lasa teo, izao, dia teny amin’ny Akoor Digue, no nitantaran’ny mpanoratra Andrianimerina Hobiana sy ny Tranom-panontana boky “Tsipika”, ny angano mahakasika an’Ikotosachet. Fitantarana angano izay nanentanana ireo ankizy mpianatra mba hiady amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Nasongadina tamin’ny alalan’ny vaky boky araka izany ny fampihenana ny fampiasana sachet sy plastika. Ikotosachet izay harona sachet iray nitantara ny lalana nodiaviny nandra-pahatongany tamin’ny Nosy iray izay nahafinaritra sy ny nandra-pahatongany tany amin’ny ranomasina tany amin’ny Nosy plastika. Nitantara Ikotosachet io fa betsaka ny zavatra hitany sy ny loza niainany nandritry ny nahateny an-dalana azy. Izay tantaran’ilay sachet plastika izay no noraketina ho boky ka nampitondraina ny lohateny hoe: Ikotosachet. Boky iray izay nosoratan’ny mpanoratra Andrianimerina Hobiana. Boky izay nosoratana amin’ny tenim-pirenena roa samihafa dia ny tenim-pirenena Malagasy sy tenim-pirenena Frantsay.

Tanjona ny mba hahamora ny fahazoan’ny ankizy mpianatra mpamaky ny boky azy. Antony nanoratana azy ity tamin’ireo tenim-pirenena roa samihafa ireo. Ny boky nitantarana ny angano izay nahaliana ireo ankizy mpianatra ny teny sy ny sary tao anatiny miampy ireo tahirin-kevitra maro isan-karazany mahakasika ny sachet sy ny plastika. Mikasika ny loza aterak’izany ihany koa sy ny fanamboarana azy. Ny tokony hotanterahana manoloana ny fiparitahan’ny sachet sy ny plastika eto ambonin’ny tany, ankehitriny, na eo aza ireo andraikitra maro samihafa raisin’ireo isan-tsokajiny.

Taorian’ny fitantarana angano tamin’ny alalan’ny vaky boky dia nanentana ireo ankizy mpianatra ny mpanoratra Andrianimerina Hobiana sy ny Tranom-panontana boky “Tsipika” mba hiaro ny tontolo iainana. Nisy tamin’ireo ankizy mpianatra no avy hatrany dia nandray fepetra mba hiarovana ny tontolo iainantsika ka tsy nanary sachet sy plastika teny rehetra teny fa nanangona izany sy nanary izany tany amin’ny toerana voatokana hanariana azy.

Ankoatra izay dia nisy ny namadika ny sachet sy ny plastika teny aminy ho lasa kilalao azo lalaovina. Maro araka izany ireo ankizy no naharay ny hafatra. Hafatra nampitaina tamin’ireo ankizy nihaino ny fitantarana angano tamin’ny alalan’ny vaky boky araka izany ny fampihenana ny fampiasana ny sachet sy ny plastika indrindra fa ny tsy hanariana azy ireny eny rehetra eny. Atokana amin’ireo toerana tokony hisy azy araka izany ny fako avy amin’ny sachet sy ny plastika ka ampiasaina hatrany raha mbola tokony ho azo ampiasaina. Na ihany koa ahodina ho lasa zavatra hafa.

Heverina fa raha mitombo ny isan’ireo ankizy maharay ny hafatra tiana hampitaina tahaka izao dia hisy fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana izany. Hita eny amin’ny Akoor Digue, Mille Feuille sy Tana Water Front Ambodivona ary ireo toeram-pivarotana boky maro samihafa eto amintsika ity boky mitondra ny lohateny hoe: Ikotosachet ity, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi