“MEGA LIVE YAS” ENY AMIN’NY KIANJA BAREA MAHAMASINA : Hohafanain’ireo mpanakanto maro

Mpanakanto maro samihafa no hanafana ilay hetsika antsoina hoe: “Mega Live Yas” izay karakarain’ny “Yas Madagasar”, ny zoma 18 jolay 2025, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Ireo mpanakanto Masoivohon’ny “Yas Madagascar” avokoa ireto handray anjara ireto. Anisan’izany i Maman’Tsôlôlô, Mopcaan, Lico Kininike, Rijade, Stephanie, Ceasar, Dadi Love, Tance Mena, ry Oladada, Shyn sy Denise ary ireo maro tsy voatanisa.

Ankoatra azy ireo anefa dia mbola hisy mpanakanto tsy ampoizina ihany koa ho avy eny an-toerana mandritry ny fampisehoana. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro dia efa afaka tonga eny amin’ny kianja Barea Mahamasina ireo mpijery na amin’ny 6 ora hariva vao hiaka-tsehatra ireo mpanakanto hanafana ny lanonana. Fomba hahafahana mahazo tapakila maimaimpoana amin’ity fampisehoana ity ny fividianana tolotra manomboka amin’ny arivo ariary eny amin’ny “Yas Store” na ihany koa “Sim Yas”. Efa tamin’ny 11 jolay 2025 no azo raisina eny amin’ny “Yas Store” ny tapakila raha eny amin’ny “Yas store” Mahamasina irery ihany no hanjifana ny tapakila sy ny handraisana ny tolotra, ny 18 jolay 2025.

Ny “Moozik” izay manohana hatrany ny mpanakanto no mpiara-miasa amin’ny “Yas Madagascar” amin’ity fampisehoana ity. Ankoatra izay dia efa misy ny fanentanana “karaoke” ihany koa any amin’ny Faritra fa tsy eto Antananarivo ihany amin’ity fampisehoana ity. Anisan’ny hahitana izany ny any Antsirabe, Morondava, Antsiranana, Fianarantsoa sy ny hafa ihany koa. Tanjon’ny fampisehoana “Mega Live Yas” izay karakarain’ny “Yas Madagasar”, ny zoma 18 jolay 2025, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny hisaotra ireo mpanjifan’ny “Yas Madagascar” izay efa mahatratra 16 tapitrisa ankehitriny, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi