Hotanterahana eny amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina, ny 4 sy ny 5 aogositra 2025, ny andiany fahatelo amin’ny “Sos Sokake Cup 2025”. Izy io izay hetsika ara-panatanjahantena sy ekolojika iray entina hanasongadinana ny fiarovana ny sokatra eto Madagasikara.
Catégorie : Samihafa
« SALON INTERNATIONAL DE L’HABITAT ET DESTOCKAGE PRO 2025 » : Hiandrasana mpitsidika maherin’ny roa alina
Ny hanala sahirana ireo matihanina misehatra eo amin’ny tontolon’ny asa fanamboaran-trano indrindra fa ireo olon-tsotra mitady vahaolana amin’ny fanorenana sy fanatsarana trano no tanjon’ny orinasa “MadaVision” amin’ilay hetsika ara-barotra « Salon International de l’Habitat et déstockage pro 2025 »…
ASSOCIATION « MANAMPISOA » : Misehatra amin’ny asa fampandrosoana sy fanampiana ireo Mpiara-belona
Fanolorana fampiofanana ireo tanora manan-talenta amin’ny sehatry ny asa tanana sy ny taozavatra toy ny fandrariana ho amin’ny fanamboarana harona, poketra fanampiana ireo olona tena sahirana eo amin’ny fiainana andavanandro, famoronana asa toy ny fanamboarana savony, « autobloquant », sns…
FIANGONANA « VAVAKA FANAFAHANA » : Nanolotra ny « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa »
Ny « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa » indray no natolotry ny Fiangonana « Vavaka Fanafahana », ho an’ny mpino rehetra tsy ankavanaka manerana ny Nosy, ny alahady 27 jolay 2025, teny amin’ny « Pietra » Analakely. Ity « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa » ity izay niarahana tamin’ny Pasteur Rabemananony Fidisoa sy Pasteur Noro Lucie…
FIAINANA ANDAVANANDRO : Tsy afa-misaraka intsony amin’ny malagasy ny MVola
Tsy nitsahatra ny nanakaiky hatrany ny mpanjifany ny MVola hatramin’izay 15 taona nisiany teto Madagasikara izay. Manaporofo izany ny fanamorany ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy tsirairay avy. Saika efa mampiasa ity sehatra fikirakirana ara-bola amin’ny alalan’ny tontolo dizitaly izay tsy azo ihodivirana ity avokoa ny Malagasy aman-tapitrisany, amin’izao fotoana izao…
“SKATE PARK” ANTANIMENA : Nolokoina “World Cola”
Ny fitokanana tamin’ny endriny vaovao ny “Skate Park” Antanimena izay miloko “World Cola” na ny “WOCO” no hetsika notontosaina, teny Antanimena, ny sabotsy 26 jolay 2025. Izany hoe: fitokanana nanomezana loko ny “Skate Park” Antanimena ho lasa lokon’ny “World Cola” dia ny mena sy ny fotsy ary ny manga izany.
FITSINJOVANA SY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Mamadika ny tavoahangy plastika efa niasa ho fitaovana hafa ny tetikasa Kopakelatra
Nanomboka ny taona 2019 izay nisian’ny tetikasa Kopakelatra tao amin’ny orinasa Star dia tsy nitsahatra ny nitsinjo sy niaro ny tontolo iainana hatrany, ity orinasa ity. Fanangonana ireo tavoahangy plastika efa niasa ary mamadika izany ho fitaovana isan-karazany ho azo ampiasaina indray eo amin’ny fiainana andavanandro no nanatontosany izany fitsinjovana sy fiarovana ny tontolo iainana izany. Tanjon’ity tetikasa Kopakelatra ity rahateo izany…
“TSENABE FIVOARANA” : Eny Mahitsy ny andiany fahaefatra
Hetsika iray natao hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra sy ny tantsaha mpamokatra ny “Tsenabe fivoarana” izay karakarain’ny fikambanana fivoi. Ny andiany fahaefatra amin’izany “Tsenabe fivoarana” izany no tanterahana eny amin’ny kaominina Ambanivohitra Mahitsy, eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, nanomboka ny alakamisy 24 jolay 2025…
HETSIKA ARA-BAROTRA « FIA » SY « FIG » : Hatambatry ny orinasa “Madavision” eny Ivato
Hetsika ara-barotra roa samihafa kanefa ho hita amin’ny toerana midadasika iray ny « Foire Internationale de l’Agriculture, de la pêche et de l’élevage » na ny « FIA » sy ny « Festival Internationale de la Gastronomie » na ny « FIG », amin’ity taona 2025 ity. Ny 4 ka hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriam-be na ny « CCI » Ivato no hanatanterahan’ny orinasa « Madavision » izany.
“REVY REVY MODY MASOANDRO” : Amin’ny alahady ho avy izao ny andiany fahatelo
Ny andiany fahatelo amin’ny “Revy Revy Mody Masoandro” izay karakarain’ny “Louvto Company”, no fampisehoana hotanterahana, eny amin’ny “Parking CCI Ivato”, ny alahady 27 jolay 2025. Tarika miisa samihafa izay samy nandalo ny vanim-potoanany avy no hifandimby hiaka-tsehatra amin’io fotoana io dia ny tarika Samoela, Mahaleo sy ny taranany, Lolo sy ny Tariny.
