Hisy ny fifaninanana lalao baolina kitra, hazakazaka efatra kilometatra, lalao fanatanjahatena nentim-paharazana Moraingy… Anisan’ny hampiavaka ny Andiany faharoa amin’ny Festival « Voasary » hotanterahana, ny volana Septambra ho avy izao any amin’ny Kaominina Antsatramidola Andoharano, izay miala dimy ambiny telopolo kilometatra an’ny Mandritsara.
Catégorie : Samihafa
FIHAONANA AN-TAMPONY ANDIANY FAHA-45 AN’IREO FILOHAM-PANJAKANA SY LEHIBEN’NY GOVERNEMANTA EO ANIVON’NY SADC : Nahatonga solontena avokoa ny mpikambana
Ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonana an-tampony andiany fahadimy amby efapolon’ny Filoham-panjakana sy ny Lehiben’ny Governemanta ao amin’ny “Southern African Development Community – SADC” no lanonana notontosaina ety amin’ny CCI Ivato, ny 17 aogositra 2025.
FANDRAVANA FIANGONANA SILAMO SY TRANO ANY TOAMASINA II : Anaty fitoniana no ahitana vahaolana
Anaty fitoniana ihany no ahitana vahaolana noho izany tsy ilaina ny savorovoro ka hatsahatra ny korontana. Tsy maintsy misy ny vahaolana rehefa misy ny olana. Ireo no anisany nisongadina tamin’ny fanambaran’ny filohan’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy na ny FSM, ny talata 13 aogositra 2025, teny amin’ny 67 Ha…
KOMITY MITANDRO NY FAHITSIANA – “CSI” : Iray amin’ireo rafitra miisa 5 miady amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara
Ny Komity Mitandro ny fahitsiana na ny « COMITE POUR LA SAUVEGARDE DE L’INTEGRITE-CSI » dia rafitra natokana hiady amin’ny kolikoly. NY « CSI » na ny « SNLCC » talohan’ny taona 2006 araka izany no rafitra nametraka ireo rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly toy ny « BIANCO », ny « SAMIFIN » sy ny « PAC » ary ny « ARAI ».
TANDINDOMIN-DOZA NY NOSY SAKATIA : Tsy ekena ny fangoronana sy fanaovana ampihimamba ny tany, tsy ekena ny fanodikodinana ny sain’ny mponina !
Maneho ny ahiahy lalina ny Collectif TANY momba ny toe-javatra sarotra miseho amin’izao fotoana izao ao Nosy Sakatia.
“STAR TOUR MAJUNGA 2025” : Ny 15 ka hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao
Rehefa niato nandritry ny enin-taona dia hifanome fotoana amin’ny mpitsidika, eny amin’ny Bord Majunga, indray, ny “STAR Tour Majunga 2025”, amin’ity taona ity. Ny 15 ka hatramin’ny 17 aogositra 2025 no hanatanterahana izany. Ho fanafanana ny fotoana dia mpanentana sy mpanakanto isan-karazany no ho avy mandritra ireo telo andro ireo.
VONDRON’NY MPANAFATRA FIARA EFA NIASA ETO MADAGASIKARA – “GIVEOM” : Nijoro tamin’ny fomba ofisialy
Nivondrona ho ao anaty fikambanana iray antsoina hoe: Vondron’ny mpanafatra fiara efa niasa eto Madagasikara na ny “Groupement des Importateurs des Véhicules d’occasion à Madagascar-GIVEOM” ireo mpandraharaha eto amintsika izay mpanafatra fiara efa niasa avy any ivelany…
OZININA STAR ANY AMBATOLAMPY : Notsidihan’ny Delegasionina manokan’ny SADC
Ny fitsidihan’ireo Delegasionina manokan’ny SADC, ny ozinina STAR, tany Ambatolampy, ny zoma 1 aogositra 2025, no namaranana ny fanamarihana ny herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria ao anatin’ny vondrona SADC…
“CERTIFICATION ISO 9001:2015″ IRAISAM-PIRENENA : Nahazo fanipitony izany fankatoavana izany ny orinasa ” FTHM Consulting”
Telopolo taona amin’ity taona 2025 ity no nijoro ny orinasa mpanolo-tsaina momba ny fitantanana amin’ny lafin’ny maro na ny “FTHM Consulting”. Nahatratra 700 ny isan’ ireo orinasa tato anatin’ny firenena Afrikanina no niasan’izy ireo nandritra izay vanim-potoana izay…
TARIKA NY VOANIO FENO 60 TAONA : Hanatanteraka fampisehoana maro
Feno 60 taona ny Tarika Ny Voanio, amin’ity taona 2025 ity. Tsy navelan’ireo taranaka mpandimby aty afara handalo fotsiny izany fotoan-dehibe izany. Anton’ilay fampisehoana hotanterahan’izy ireo eny amin’ny CC ESCA Antanimena, ny 24 aogositra 2025. Mialohan’io anefa dia hanatanteraka fampisehoana any Toamasina ihany koa, izy ireo, ny sabotsy 2 aogositra 2025…
