« SALON DES ETUDES-CONCEPTION ET REALISATION EN ENTREPRENEURIAT » : Hetsika fampirantiana sy tantsoroka amin’ny fitadiavana asa

Ny andiany faharoa amin’ilay « Salon des Etudes-Conception et Réalisation en Entrepreneuriat » no hetsika karakarain’ny « Projet Baecre » eny amin’ny Sekoly Ambony tsy miankina ISPPS Andrefan’Ambohijanahary, ny 17 sy ny 18 jolay ho avy izao. Mandritra ireo roa andro ireo dia hisy ny tari-dalana sy ny fanomezana torohevitra ny mpitsidika rehetra indrindra fa ireo tanora mpianatra, mahakasika ny fanohizany ny fianarany eo amin’ny sehatry ny ambaratonga ambony. Na ireo tanora mpianatra mbola tsy manana ny diplaomam-panjakana Bakalorea na ireo efa manana izany dia samy hahazo ny anjarany avokoa amin’ireo fotoana ireo. Eo ihany koa ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra. Ny fampirantiana sy ny tantsoroka amin’ny fitadiavana asa. Ny fandraisana mpiasa ho an’ireo izay vonona ny ho amin’izany indrindra fa ireo hianatra asa. Ny varavarana misokatra. Hanasan’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny tanora, ny mpianatra, ny Raiamandreny, ny mpampianatra, ny mpikaroka sy ny tsirairay araka izany ity hetsika izay hotanterahana enyamin’ny Sekoly Ambony tsy miankina ISPPS Andrefan’Ambohijanahary ity. Tanjona ny hanampiana hatrany ny daholobe amin’izao vanim-potoanan’ny fahasarotana amin’ny fitadiavana asa izao. Ny tsy fisian’ny asa na ny tsy fahitana asa izay mampahantra ny olona ka mampiteraka tsy fandriam-pahalemana. Antony hanoloran’ny tompon’andraikitra mpikarakara tanana ny sarababem-bahoaka, araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny Sekoly Ambony tsy miankina ISPPS Andrefan’Ambohijanahary, Rakotoarivelo Gérard.

Vous aimerez aussi