FANOFANANA MPIASA : Ar 1,5 Miliara isan-taona no atokan’ny orinasa Star ho amin’izany

Mba hampifanaraka ny filan’ny tsena sy ny mpanjifa ary ny kalitaon’ny asa dia tsy manao ambanin-javatra ny fanofanana ireo mpiasa mivantana mihoatry ny 1700 isa ao aminy ny orinasa Star. Antony dia satria ny mpiasa no fototry ny fampandrosoana ara-toekaren’ny firenena sy ny indostria. Nanokanan’ny orinasa Star vola mihoatry ny Ar 1,5 miliara isan-taona araka izany ny famolavolana ny talentan’ireo mpiasa ao aminy ireo. Mahatratra 20.000 ora isan-taona ny fanofanana. Izany hoe: manodidina ny 11 ora isaky ny mpiasa ny fanofanana. Vina apetraka ny fampitomboana ny fampiasam-bola. Eo ihany koa ny fampiakarana ny fivoarana sy ny famokarana. Ankoatry ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny maha-olona dia mampiasa vola eo amin’ny fanavaozana ireo fitaovana indostrialy ihany koa ny orinasa Star. Izany indrindra no mahatonga ny orinasa Star hanamafy ny fiaraha-miasany amin’ny fanjakana. Mba hahafahany mitazona ny herijika ara-toekarena. Fanambin’ny orinasa ny hamorona asa sy hampifandraika ny fahaiza-manao eto an-toerana amin’ireo fahaiza-manao takiana ankehitriny.

Mpiasan'ny Star

Vous aimerez aussi