Loza mitatao ho an’ny Fahaleovantena ara-tsakafo ny fifanarahana nosoniavina niaraka tamin’ny orinasa israelianina LR Group Ltd

Tamin’ny 25 May 2025, ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo dia nanao sonia tao Tel-Aviv fifanarahana [memorandum d’entente (MoU)] tamin’ny vondrona israelianina LR Group momba ny hametrahana ivontoeram-pambolena (Agropole) 10.000 hekitara ho an’ny fambolena vary sy katsaka ary soja. Mampalahelo fa tena kely ny antsimpiriany fantatra momba ny votoatin’ity fifanarahana mahakasika 90 tapitrisa dôlara ity.

Iza moa ny LR Group Ltd ? Ary mitondra mankany amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo ho an’ny firenena ve ity fifanarahana ity?

Loading Viewer...

Vous aimerez aussi