Tanjon’ny fikambanana “Ny Ampinga Kabary” ny hanabe sy hanandratra ny soatoavina mahamalagasy. Anton’ilay teny filamatry ny fikambanana manao hoe: “Hampandroso hatrany ifotony ny Teny sy ny Soatoavina Malagasy”. Ny fikambanana “Ny Ampinga Kabary” araka izany dia misehatra manokana eo amin’ny fanomezan-danja ny kabary sy ny teny Malagasy.
Ity fikambanana ity izay vao avy nanandratra Mpikabary, tamin’ny fomba ofisialy, ny alahady 15 Jona 2025, teny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy. Ny andia faha-17 izay misalotra ny anarana “Voromahery” ireto nasandratra ireto. Izy ireo izay tonga dia afaka misehatra amin’ny asa maha-mpikabary azy avy hatrany manomboka izao. Anisan’izany ny fikabariana sy ny fanentanana lanonana amin’ny sehatra samy hafa. Mpianatra kabary ho matihanina ireto nasandratra ireto.
Nandritry ny 10 volana no nianatra ny kabary rehetra izy 400 mianadahy mianaka ireto. 73 taona ny zokiny indrindra ary 8 taona ny zandriny indrindra. Ny fianarana kabary izay efa mahamaro an’isa ihany koa ireo vehivavy raha ho an’ny fikambanana “Ny Ampinga Kabary”. Ny volana septambra ho avy izao indray no hanomboka ny fiofanana amin’ny taom-pianarana momba ny kabary ireo tompon’andraikitry ny fikambanana Ny Ampinga kabary, araka ny fanazavana voaray.


