Taorian’ny fitsidihana nataon-dRamatoa Minisitry ny Fizahantany sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo manam-pahefana ao Nosy Be, ny zoma 9 janoary 2025, dia namoaka fanambarana ny fikambanana Anjava-Sakatia. Fanambarana izay maneho mazava ny ahiahy sy ny fijoroan’ny mponina manoloana ny tetikasa fizahantany kasaina hapetraka ao amin’ny Nosy Sakatia, izay heverin’izy ireo fa manambana ny tanindrazany sy ny zo fototra ananany.
Catégorie : Samihafa
ANDIANY FAHATELO AMIN'NY "ANTSON'NY TONTOLO MIAINA" : "Dendrophile : l'amour des arbres" no lohahevitra
Lohahevitry ny andiany fahatelo amin’ny hetsika zava-kanto “Antson’ny tontolo miaina” amin’ity taona ity, ny hoe : “Dendrophile : l’amour des arbres” na ny “Mpankafy hazo : ny fitiavana ny hazo maniry”. Hetsika izay hanomboka ny 17 janoary ka hifarana ny 6 febroary 2026 eny amin’ny “Hangar Zone Zital” Ankorondrano.
"MADAGASCAR : PLUS DE 1300 ANS D'HISTOIRE ECONOMIQUE VIVANTE" : Arantin'ny "FTHM" indray eny Antaninarenina
Tanjon’ny “FTHM” sy ny Sampana Tantara eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, amin’ilay fikarohana lalina izay hampirantiana indray eny amin’ny “Cité des cultures” Antaninarenina, ny hampahafantatra ny “Madagascar : plus de 1300 ans d’histoire économique vivante”.
ALAIN ANDRIAMISEZA : Mitaky ny hanesorana ny Praiministra
Ny fanesorana io Praiministra tsy mahavaha olana io no takianay. Tsy mitondra mankany amin’ny “Fanovana” izay nimatimatesana ny zava-misy ankehitriny amin’ny “Fanavaozana”. Ankoatra izay dia tsy izaho izay anisany nametraka ny filoham-panjakana amin’izao fotoana izao ho eo amin’ny toerany no handeha hanongana azy.
FIKAMBANANA "GEN Y PLUS" : Hotohizana hatrany ny fandraisana andraikitra amin'ny asa sosialy
Fandraisana andraikitra tamin’ny fikarakarana sy fandefasana tany amin’ny an-tanindrazany ny razan’ireo mpivady niara-maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN 7, ny sabotsy 3 janoary 2026.
TONDRA-DRANO : VITA TANTERAKA ANTSAHAKELY-BESARETY
"ASSOCIATION MUSULMANE AHMADIYYA" ENY TONGARIVO TANJOMBATO : Nanohana ara-tsakafo ireo sahirana miisa 350
Fanampiana ara-tsosialy ho an’ireo olona sahirana ara-pivelomana miisa 350 teny amin’ny fokontany Tongarivo Tanjombato no nentin’ny “Association Musulmane Ahmadiyya” nisantatra ny taona vaovao tamin’ity taona 2026 ity. Fanampiana ara-tsosialy izay nanolorana vary sy paty ary siramamy, ny alahady 4 janoary 2026, teny amin’ny “Mosquée Tongarivo Tanjombato.
ANTSAHAKELY-BESARETY : Tratry ny Rano 2026 !
Ny an’ny sasany Tratry ny Taona 2026, fa hafa kosa ny an’Antsahakely-Besarety fa tratry ny Rano 2026 ! Tena mampalahelo sy mahonena no mijery ny Fokontany fa dia dibon-drano tanteraka tamin’nity indray mitoraka ity. Simba avokoa ny entana ao an-trano, ny lalankely fotaka, ny tsena fotaka, ny rano fisotro tsy misy. Fa ahoana e?
KAOMININA AMPITATAFIKA : Niisa 360 ireo nampisitraka fanomezana
Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny farany taona ary ny taom-baovao ireo sahirana ara-pivelomana eny amin’ny kaominina Ampitatafika. Nampisitrahan’ny Ben’ny tanàna, Ramparaoelina Rado sy ireo mpiara-miasa aminy, vary, menaka, paty sy vovo-tsavony ary Milay be, ireo niangaran’ny vintana ireo.
"ASSOCIATION MUSULMAN AHAMADIYYA" ENY TONGARIVO : Nametra-panontaniana tamin'ny zava-nisy teny an-toerana
“Iza no marina? Iza no mandainga? Ny taratasy nisy nametaka teo amin’ny tambohon’ny “Mosquée” dia lainga ary io taratasy io dia nisy nametaka teo amin’ny vavahadin’ny mpiara-monina ihany koa. Iza no nametaka io taratasy io tamin’ny andro alina?”. Niezaka ny “Association Musulman Ahamadiyya” niresaka tamin’ny tompon’andraiki-panjakana namantatra ny nanao io affiche” lainga io.”
