FIKAONANDOHAM-PIRENENA : Efa miroso tsikelikely amin'ny fanomanana

Taonan’ny fikaonandoha ity 2026 ity raha ny raharaham-pirenena misy amin’izao fotoana izao. Efa miditra tsikelikely amin’ny fanomanana ilay Fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny Fitondrana ankehitriny. Nisy ny fihaonan’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Hanitra Razafimanantsoa, tamin’ ny Collectif du mouvement Gen Z,  ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Mahamasina.

"ANTSON'NY TONTOLO MIAINA" ANDIANY FAHATELO : Ny sabotsy ho avy izao no fotoana eny Ankorondrano

Antson'ny Tontolo Miaina

Fanja R., Kiady Ratovoson, Iandry Randriamandroso, Jessica Solomon, Johary Ravaloson, Joan Razafimaharo, Miangaly Elia, Noely Ratsimiebo sy Rado Ramilison ary Sham’Archi. Ireo indray no mpanatalenta miisa folo handravaka ny “Antson’ny Tontolo Miaina” andiany fahatelo, amin’ity taona 2026 ity, eny amin’ny “Hangar Zone Zital” Ankorondrano.

FIANGONANA HEBREO NOTSRYM : Manomana "konferensa" lehibe

Ny Alahady 18 Janoary hoavy izao, hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina, etsy Ankasina”Bet kneset” trano fivavahan’ny Fiangonana Hebreo notsrym. Efajato metatra atsinanan’ny Gare routière Maki Andohatapenaka, amin’ny ankavanan-dalana, trano simenitra lehibe miendrika sambo no hanatanteraka fifanakalozan-kevitra malalaka ny fikambanana”Malagasy Nosy miavaka” izay misy ny Fiangonana Hebreo notsrym.