FIKAMBANANA AHMADDYA MUSULMANE SY NY HUMANITY FIRST GERMANY : Nanolotra fanampiana ho an'ny mpiara-belona

Tahaka ny fanaon’ny Fikambanana Ahmaddya Musulmane isan-taona rehefa Tonontaona tahaka izao dia mizara hafaliana amin’ny vahoaka mpiray monina izy ireo. Izany dia ho fanehoana fitiavana, araka ny teny filamatry ny fikambanana hoe ” Fitiavana ho an’ny rehetra. Tsy fankahalana ho an’iza na iza”. Niara-nisalahy tamin’ny Fikambanana Humanity First Germany any Alemana izy ireo tamin’io omaly io nizara sakafo ho an’olona an’arivony teny Andavamamba, Anosibe sy ny manodidina. Nahitana paty, siramamy, vary, lafarina izany. ” Olona an’arivony no nozaraina fanampiana androany. Tsy nanavahana an’iza na iza na sarangan’olona na antokom-pinoana fa afaka nisitraka io fanomezana io avokoa ny rehetra”, araka ny fanazavan’ny Misionera Abdou Raman, eo anivon’ny Fikambanana Ahmaddya Musulmane. Amin’ny maha- fikambanana mpanao asa soa ny Fikambanana Ahmaddya Musulmane sy ny Humanity first Germany moa dia tsy eo amin’ny lafiny fanampiana ara-tsakafo ihany no hanampian’izy ireo ny mpiara-belona fa amin’ny lafiny maro toy ny fanabeazana, ny finoana sy ireo izay mifanaraka amin’ny olan’ny fiarahamonina. Faritra maro eto amin’ny Nosy no efa nitondran’ireto fikambanana ireto fanampiana raha tsy hiteny afa-tsy ny tetsy Tongarivo, Andavamamba sy ny faritra Atsimon’ny Nosy.

Vous aimerez aussi