Taonan’ny fikaonandoha ity 2026 ity raha ny raharaham-pirenena misy amin’izao fotoana izao. Efa miditra tsikelikely amin’ny fanomanana ilay Fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny Fitondrana ankehitriny. Nisy ny fihaonan’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Hanitra Razafimanantsoa, tamin’ ny Collectif du mouvement Gen Z, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Mahamasina. Nivoitra tamin’izany ny fijerena ny fametrahana ny fototra ahafahana miroso amin’ny fikaonandoham-pirenena. Nohazavain’ny Minisitra fa hizara tapany roa ity taona ity ka ny enim-bolana voalohany hanaovana ny fikarakarana manontolo sady hanaovana andrana. Izany hoe hametrahana sy handaminana ireo lafiny teknika hijerena ny tomban’ny filana manontolo na ara-pitaovana, na eo amin’ny lafiny olona. Fotoana hanofanana ireo olona izay mbola hampiofana indray ireo olona handray anjara. Fametrahana sy fanaovana ny fikaonandoha savaranonando eto Antananarivo. Ny tapany faharoa kosa any amin’ny volana jolay no hiditra amin’ilay tena fikaonandoham-pirenena miainga eny ifotony eny amin’ny Fokontany miakatra any amin’ny Kaomina, Distrika sy Faritra. Aorian’izay no hisy ny fikaonandoham-pirenena eto Antananarivo izay hanangonana ny hevitra nivoitra sy nivoaka nandritra ireo fakan-kevitra natao nandritra ny taona izay hatao volavolana Lalàmpanorenana. Antsoina handray anjara amin’ny fikaonandoha avokoa ny rehetra indrindra ny tanora izay ho avin’ny Firenena. Ny Fanjakana moa no hamorona ny hoenti-manana hanatanterahana ireo fihaonana ireo fa raisina an-tanandroa ihany koa ny fanampiana avy amin’ny malala-tanana. Ny fehinkevitra voaangona sy tapaka amin’io fikaonandoham-pirenena io izany no hamaritra izay fifidianana isan-tsokajiny hatao eto amin’ny Firenena. Ankilan’izay, ny Collectif du mouvement Gen Z dia nilaza fa handray anjara amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena sady hiady hevitra hitondra ny hetahetan’izy ireo amin’ny fanavaozana. Tanjona amin’ity Fikaonandoham-pirenena ity rahateo ny hahazoana ny hevitry ny rehetra mba tena hisy fiantraikany ho an’ny tsirairay ilay fanovana notakiana teto amin’ny Firenena, araka ny fanazavana voaray.

