Fanampiana ara-tsosialy ho an’ireo olona sahirana ara-pivelomana miisa 350 teny amin’ny fokontany Tongarivo Tanjombato no nentin’ny “Association Musulmane Ahmadiyya” nisantatra ny taona vaovao tamin’ity taona 2026 ity. Fanampiana ara-tsosialy izay nanolorana vary sy paty ary siramamy, ny alahady 4 janoary 2026, teny amin’ny “Mosquée Tongarivo Tanjombato. Tanjon’izao fampisitrahana ara-tsakafo izao ny fanehoana ny firaisan-kina sy ny fitiavana eo amin’ny fikambanana sy ireo mpiara-belona aminy. Saika nahazo ity tolo-tanan’ny fikambanana ity avokoa ireo mpiara-monina amin’izy ireo eny an-toerana. Tsy nisy fanavankavahana na ara-pivavahana na ara-poko na ara-bolon- koditra na zom-pirenena ny fanomezana. Ny disadisa mahakasika “Mosquée” ihany koa ankehitriny dia efa niravona na mbola tsy mivavaka ao amin’izany toerana izany aza ireo mpino silamo. Notontosain’ny “Association Musulmane Ahmadiyya” eny Tongarivo Tanjombato tamin’izao hetsika izao ny teny fanevan’izy ireo manao hoe: ” fitiavana ho an’ny rehetra, tsy fankahalana ho an’iza na iza”, araka ny fanazavana voaray.

