Lohahevitry ny andiany fahatelo amin’ny hetsika zava-kanto “Antson’ny tontolo miaina” amin’ity taona ity, ny hoe : “Dendrophile : l’amour des arbres” na ny “Mpankafy hazo : ny fitiavana ny hazo maniry”. Hetsika izay hanomboka ny 17 janoary ka hifarana ny 6 febroary 2026 eny amin’ny “Hangar Zone Zital” Ankorondrano. Miisa 7 indray ireo Mpanakanto ara-javakanto hampiranty ny talentany amin’ity andiany fahatelo ity.
Ny 18 desambra 2025 no efa nanomboka nampirantiana teny amin’ny Flow Gallery Ivandry sy teny amin’ny Ravinala Airports ny sanganasan’ireo mpanakanto ireto. Marihana fa nahitam-bokany avokoa ireo andiany niisa roa tamin’ny “Antson’ny tontolo miaina”. Nahasarika vahiny sy tompon-tany izany. Ny andiany voalohany izay nampahafantarana ny momba ny “Antson’ny tontolo miaina” amin’ny ankapobeny. Nampitondraina ny lohahevitra hoe : “Ravorona” ny andiany faharoa tamin’izany hetsika ara-javakanto izany, araka ny fanazavana voaray.


