"MADAGASCAR : PLUS DE 1300 ANS D'HISTOIRE ECONOMIQUE VIVANTE" : Arantin'ny "FTHM" indray eny Antaninarenina

Tanjon’ny “FTHM” sy ny Sampana Tantara eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, amin’ilay fikarohana lalina izay hampirantiana indray eny amin’ny “Cité des cultures” Antaninarenina, ny hampahafantatra ny “Madagascar : plus de 1300 ans d’histoire économique vivante”. Ity fikarohana lalina ity izay zava-dehibe ny hahafantaran’ny rehetra azy noho izy io mifono hevitra mahakasika ny tantaran’ny toekarena malagasy hatrany hatramin’ny taona 700 tany ho any.

Io taona io no nanombohan’ny toekaren’i Madagasikara nisongadina ara-tantara. Maro ireo tranga nisy teto amin’ny Nosy. Niantraika nivantana tamin’ny ara-toekarena malagasy izany tranga nisy izany. Nanomboka ny taona 1810 ka hatramin’izao dia nizara vanim-potoana lehibe 4 ny ara-tantaran’ny toe-karentsika hatramin’izay ka hatramin’izao. Tamin’ireo vanim-potoana samihafa ireo no nahatsapana fa niaka-nidina ny toekaren’i Madagasikara. Niavaka tamin’izany ny vanim-potoanan’ny Tetezamita izay tena nahaambany tanteraka ny lafiny ara-toekarena teto Madagasikara. Fotoana izay nitondran’ny Jeneraly Ramanantsoa, ny taona 1972. Teo ihany ny Tetezamita tamin’ny taona 2009 izay naharitra dimy taona ka mbola tsy nampiharina ny toekaren’i Madagasikara hatramin’izao fotoana izao.

Ny toekaren’i Madagasikara izay nahitana fiakarany ny taona 1960 tamin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena ka hatramin’ny taona 1972 izay nialan’ny filoha Philibert Tsiranana. Manoloana ny ara-tantaran’i Madagasikara mahakasika ny lafiny ara-toekarena dia hita fa ireo vanim-potonan’ny Tetezamita no mampihetry tanteraka ny toekarentsika raha mahazo aina kosa izany amin’ny vanim-potoana hitondran’ireo filoham-pirenena. Tanjon’ity fikarohana aranty eny amin’ny “Cité des Cultures” Antaninarenina ity araka izany ny hampahafantatra ny fivoaran’ny fifanakalozana ara-toekarena teto Madagasikara indrindra fa ny famokarana. Nanomboka ny 5 janoary ka hifarana ny 27 janoary 2026 ity fikarohana lalina miendrika fampirantiana ity, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi