Ny an’ny sasany Tratry ny Taona 2026, fa hafa kosa ny an’Antsahakely-Besarety fa tratry ny Rano 2026 ! Tena mampalahelo sy mahonena no mijery ny Fokontany fa dia dibon-drano tanteraka tamin’nity indray mitoraka ity. Simba avokoa ny entana ao an-trano, ny lalankely fotaka, ny tsena fotaka, ny rano fisotro tsy misy. Fa ahoana e?
Efa ela no efanatao ny antso handavahana tanteraka ny tatatra mandala ety Antsahakely. Efa ela no nanao fangatahana hanalana ny daba-pako etsy amin’ny arabe izay manary fako ao amin’ity tatatra ity. Rehefa avy ny orana dia tsentsina ny tatatra amin’ny fako, ka tonga any any an-tokan-trano. Loto izany! Ny fotaka tsylazaina intsony. Tsy ferana ny aretina, ary marefo ny mponina.
Impiry moa ny mpanao politika tonga mitsidika ety Antsahakely rehefa manao fampielezan-kevitra.Iny ihanyizyno hita, fa amin’ny manaraka indray. Ao no manome fahatokisana, ao ny mandainga. Mihafy ao anaty fijaliana ny mponina tsy afa-manaotra.
Mbola misy ve ny Kaominina? Miasa ve izy io ? Tsy ilaina intsony ireny asa an-kelika kely ireny, folo minitra dia tsy hita, dia dimy arivo ariary isan’ilona hono. Tsymisy vita fa n yeo ihanynomiverina. Mila fitaovana vaventy manala ny fasika amin’ny tatatra fa efa miraikitra aoy ambany any ny fasika ary feno ny tatatra. Miakatra ny rano ary tena totrandrano goavana.
Zon’ny mponina no mangataka amin’ny Fitondrana fanampiana fa tena tsy afaka mihetsika intsony ry zareo. Vonjeo Antsahakely ! Tratry ny Rano 2026 !

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

