ZOTRA D : Miverina amin’ny fomba fanaony taloha

Zotra filamanatra ny zotra D, hoy ireo tompon’andraikitry ny fitaterana an-tanety na ny Att raha nametraka ilay fitaovana GPS hanaraha-maso ny fizotry ny asan’ireo kaoperativa sy ny mpamily izy ireo tamin’izany. Nizotra ara-dalana araka ny tokony ho izy izany teo aloha ary natao ho zotra filamatra mihitsy aza izany zotra D izany tamin’izany fotoana. Nomena mari-pankasitrahana noho izany ny mpamily izay nanara-dalana tamin’ny fotoan’androny, saingy, amin’izao fotoana izao dia lasa mampitondra faisana an’ireo mpajifa indray ity zotra D filamatra ity. Araka ny fanazavana voaray tamin’ireo mpajifa dia tsy tonga hatrany amin’ny terminus ireo taksibe ireo, fa miodina an-dalana ary manary olona tapa-dalana, nefa mandoa sara-dalana ara-dalana miala any Ivato ka hatrany Vasakaosy. Tsy misy dikany ny nametraha an’ilay fitaovana GPS tamin’io zotra D io, raha tsy nitohy ny fanaraha-maso, hoy ireo mpjifa. Noho izany, manao antso avo amin’ny tompon’andraikitry ny fitaterana ireo mpandeha mba hijery manokana ity zotra D izao natao zotra filamatra ity, nefa tsy manaraka ny toromarika nomen’ireo tompon’andraikitra azy ireo.

Vous aimerez aussi