“Raha tiana handroso ny firenena, dia aoka izay ny fanavakavahana ny mpanao politika eto amintsika”, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy, atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany, fa antony iray mahatonga ny tsy hisian’ny fampandrosoana, dia ny fanilihana ny mpanao politika izay mandroso soson-kevitra entina hitantana sy/na hitondrana ny firenena. Marina, fa misy ny tsy mitovy hevitra amin’ireo mpanao politika eto amintsika, nefa ilaina izay tsy fitovian-kevitra izay, mba entina hanatsarana ny fitantanan-draharaham-pirenena. Ny mpitondra dia mandray ireo mpanohitra ho fahavalo, ka vao maneho hevitra ireto farany, dia lazaina fa mitady seza na tsy faly amin’ny mpitondra, sns. Lasa mijaly noho izany ny firenena. Tokony hifanampy, hifanohana, hifanome-tanana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny mpitondra fanjakana sy ireo mpisehatra politika, mba tsy hitarika olana eto amin’ny firenena intsony, satria ny firaisan-kina no hery, hoy ity fikambanana ity.


