Misy andian’olona mitady hivarotra ampahan-tany misy ny « Allée des Baobab » amin’ny teratany vahiny ao Morondava amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavana voaray, dia matoky ny tenin’ireo mponina any an-toerana, ireto vahiny ireto ary izy ireo no hanome volabe an’ireo andian’olona ireo, amin’io tany io, mba hanorenan’ireo vahiny trano sy hipetrahany ary hanaovany zavatra eo amin’io ampahan-tany ao amin’ny « Allée des Baobab » io. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana Fanamby izay miahy ity « Parc » ity, fa karazana kolikoly no ataon’ireo andian’olona mitady hivarotra tany amin’ny vazaha ireo, ka tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fikambanana. Voalaza, fa efa ela ireto teratany vahiny ireto no nitsidika sy nijery ny tany ary resy lahatra tamin’ny hankaton’ny « Parc » sy ny Baobab ao Morondava, hoy ny tatitra azo. Ankasitrahan’ity fikambanana ity noho izany ny nametrahana ilay birao mahaleo-tena miady amin’ny kolikoly na ny Bianco izay napetraka ao Morondava mba hiady amin’izay kolikoly izay. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha mikasika ity famarotana ny ampahan-tany amin’ny « Allée des Baobab » ity.


