Honeran’ny Fanjakana avokoa ny vidin’ny tany sy tanimbary izay hototofan’ny Fitondrana hanatanterahana ny vina Tanamasoandro eny Ambohitrimanjaka sy Itaosy. Anisan’ny fanambarana sy fanamafisana nataon’ny tompon’andraiki-panjakana, manoloana ny fitsipahan’ny vahoaka ny fanorenana tanàna vaovao eny an-toerana. Fantatra izany raha nidinika tamin’ny mpanao gazety teny Antaninarenina anikeheo maraina ireo tompon’andraikitry ny tetikasa notronin’ireo Solombavambahoaka avy ao Atsimondrano sy Ambohidratrimo.
Hisy noho izany ny toerana manokana homen’ny Fanjakana hambolem-bary ireo olona mbola maniry hanohy ny fambolena, hoy hatrany ny fanazavana.
Mila tanàna vaovao
Natao ho an’ny mponina 5 hetsy ny tananàn’Antananarivo renivohitra raha 5 hetsy sy 3 tapitrisa izany amin’izao fotoana. Hitombo hatrany amin’ny 6 tapitrisa izany amin’ny taona 2023. Noho izany, mila itarina ny tanàna mba tsy hivangongo loatra eto ny mponina.
Koa eo anelanelan’Ambohitrimanjaka sy Ambohidrapeto Itaosy no kasain’ny Fitondrana hanorenana ity vina Tanamasoandro ity.
387 Ha, araka izany ny ampahany voalohany hanaovana izany tetikasa izany, ka misy ny tanimbary tsy maintsy ho totofana, eo koa ny trano tsy maintsy harodana,.. satria voakasik’izany tetikasa izany.
Fandresen-dahatra
Manoloana izany dia najoro ny kaomisiona manokana mba hiresaka sy handresy lahatra ireo tompon-tany eny an-toerana mikasika ny fanoneran’ny Fanjakana ny tanin’izy ireo.
Noresena lahatra ihany koa izy ireo ny amin’ny hisian’ny asa mandritra ny fanorenana izany tanàna vaovao izany, indrindra ny fanotofana, ka ny tanora monina eny amin’ny manodidina no hahazo ny laharam-pahamehana amin’izany.
Nohazavain’ny mpanolotsain’ny Filoham-pirenena misahana ny foto-drafitrasa hatrany fa tsy maintsy misy hatrany ny olona voakasika rehefa hanao foto-drafitrasa lehibe, tahaka ny nanaovana ny « rocade » sy ny « by pass », izay lasa tombotsoan’ny daholobe izany.
Nisy ihany koa ny fanazavana ara-teknika mikasika ny tsy hisian’ny tondra-drano, manoloana ny fanotofana hatao.
Efatra andro dia mandray ny vidin-tany
Mandray anjara amin’izao kaomisiona izao ihany koa moa ny Apipa, ka hiandraikitra ny eo amin’ny lafin’ny taratasy momba ny fifanekem-barotra ara-tany, izay hanokafana « guichet unique » mihitsy. Koa efatra (4) andro aorian’izany dia afaka mandray ny volany ny tompon-tany, ary mbola manan-tsafidy na ho seky na ho lelavola avy hatrany izany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

