Mpiadina telo no naiditra tao amin’ny hopitaly noho ny fisehoan’ny savorovoro, io maraina io, nandritra ny andro fahatelon’ny fanadinana bakalorea tao Toamasina.
Araka ny fantatra dia nivoaka ny toeram-panadinana ireo mpiadina avy amin’ny sokajy A1 sy A2 tao amin’ny Stella Marris, , CEG Ratsimilaho ary Lycée Jacques Rabemananjara ka niantsoantso teny ivelany noho ny fanajanonana ny fizarana ny laza adina tokony ho azy ireo.
Ireo sokajy hafa kosa dia afa-nanohy soa aman-tsara ny fanadinany avy, saingy velona ny fanakorontanana nataon’iretsy sokajy roa voalohany an’ireo sokajy C sy D avy eo, mba hisian’ny fitovian-jo, hono, ka velona teo ny savorovoro.

Vaky, noho izany, ny fitaratra tamin’ny efitra vitsivitsy ka mpiadina roa no tsy nahatsiaro tena raha iray kosa no naratra mafy. Samy nentina tao amin’ny hopitaliben’i Toamasina izy reo ary samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy.
Tsy mbola fantatra kosa izay mety ho fepetra ho raisina manoloana izao fanadinam-panjakana izao.
Soanierana Ivongo : Nivoaka mialoha ny laza adina
Nivoaka mialoha ny fotoana ny laza adina teo amin’ny taranja fizika-simia. Nisy ny fahatarana teo amin’ny fanombohana ny fanadinana, noho izany toe-javatra izany, satria tsy mbola tonga ny tompon’andraikitra na dia efa tokony ho nanomboka aza ny fanadinana.
Velon’ahiahy ireo mpiadina satria matahotra ny hamerina ny fanadinana indray ka nisy ny savorovoro.
Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia nisy ny fiparitahan’ny laza adina mialoha ka nandrasana ny laza adina faharoa avy any amin’ ny « office du baccalauréat », izay mbola natao photocopie ho an’ny mpiadina rehetra.
Efa manao ny fandihadiana momba izao moa ny tompon’andraikitra sy ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Sainte Marie : Tamin’ny 10 latsaka 10 vao nanomboka
Nisy ihany koa ny olona teo amin’ny taranja fizika-simia ho an’ny mpiadina tao Sainte Marie, ka tamin’ny 10 ora latsaka 10 mn vao nanomboka ny fanadinana rehefa nasaina niverina ireo mpiadina.
Tahaka ny olana etsy aloha dia mbola niandry ny baiko avy any ambony ny tompon’andraikitry ny foibem-panadinana vao afaka nanomboka, satria voatery tsy maintsy nosoloina ny laza adina, izay vao nalefa tamin’ny alalan’ny e-mail.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

