Olona telo no voasambotra tamin’ny famaizan’ny alan-javaboaharin’Ankarafantsika ary mitohy ny fikarohana sy fanadihadiana ireo namany hafa ary atao tsara ambina amin’izay ity ala ity, izay iaraha-misalahy amin’ny mpitandro filamainana sy ireo olobe any an-toerana.
Fanambaran’ny Tale jeneralin’ny Madagascar National Park, Mamy Rakotoarison, nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, ny maraina teo, tao amin’ny foibe iraisam-paritry ny Tontolo Iainana,Boeny sy Betsiboka izany.
Araka ny fanazavana dia tsy ny « park » no tena may fa ny tety ivelany, izay fiarovana azy. Ny ivon’ny « park » anefa no tena onenan’ireo biby sy zava-maniry ary zava-manan’aina tsy fahita firy, izay sarotra dia sarotra tokoa ny mamerina azy raha sanatria sendra ny famaizana.
Natao, noho izany, ny fanentanana ny olona eny ifotony amin’ny fiarovana ity ala sarobiy ity, izay efa nisy sahady ny fivondronan’ny olona eo amin’ny 150 isa eo, tonga namono ny afo teny amin’ny manodidina.
Koa tontosa ny famonoana ny afo na dia teo aza ny rivotra nitsoaka nanamafy ny firehetan’ny bozaka sy ny làlan-tsarotra ary ny tsy fahampian’ny rano.
Mafy ny fiadiana amin’ny afo. Koa ilaina ny fanabeazana, ny fisorohana ary ny fanasaziana.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

