« Lovantsika ny tanimbary ka tsy amidy na atakalo vola ! ». Nanterin’ny solontenan’ny mponina, Eric Randrianaivo izany teny izany, nandritra ny fihaonana fanaon’izy ireo isaky ny faran’ny herinandro, teny Ambohitrimanjaka. Koa tsy ekena, hoy izy ny fandrebireben’ny Fanjakana amin’ny fandoavana tambin-tany satria tsy maintsy tsinjovina ny taranaka aoriana.
Tonga koa ny Loholona
Tonga maro hatrany amin’izao fihaonana fanaon’ny mponina izao ny avy amin’ireo kaomina 4 eny an-toerana dia Ambohitrimanjaka, Ankadimanga, Anosibe Zaivola ary Ambohidrapeto.
Nanatrika ity fihaonana ity ihany koa ny Loholon’i Madagasikara, Jafetra Randriamanantsoa, amin’ny maha-zanak’Ambohitrimanjaka azy. Nomarihiny fa « tsy rariny raha ny foto-piveloman’ny Malagasy no hesorina aminy ka hanotofana ny tanimbary, izay efa nohajariana hatrizay hatrizay ! ».
Vakoka Ambohitrimanjaka
Nitondran’ity senatera ity fanazavana sy famelabelarana indrindra koa ny amin’ny tantaran’Ambohitrimanjaka sy ny lemak’i Betsimitatatra. Vakoka Ambohitrimanjaka, hoy izy ary manan-tantara amin’ny famokaram-bary eto amin’ny Faritra Analamanga.
Nisy, noho izany, ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ity Loholona ity sy ny mponina, ny amin’ny fanoherana hatramin’ny farany ny tetikasan’ny Fanjakana hanototra ny tanimbary.
Hitohy hatrany, araka izany, ny fihaonan’ny mponina tahaka izao, ahazoana manambatra ny hery ho fanoherana ny fanotofana.
Andrasan’ny mponina hatrany moa ny fahatongavan’ny Minisitra lefitra vaovao, ahazoana mifanakalo hevitra.


