Sadakaitra ny maro rehefa mijery ireny rindran-tsary « Clip » amin’ny fahitalavitra ireny izay maneho ny fampandihizana ny fitombenana atodika eo anoloan’ireo mpijery. Raha ny soatoavina malagasy no zohina dia fady teo amin’ireo Ntaolo malagasy ny hampandihy ny fitombenana imason’ny maro indrindra fa ireo olom-pady izany. Raha ny soradihy Malagasy indray no asian-teny dia ny ratsam-batana ambony toy ny loha, ny tanana, ny sandry no hetsehana rehefa mandihy. Midika io fa nanome hasina tanteraka ny vatany sy ny maha olona azy ny Malagasy. Ankehitriny anefa, ny tapany ambany no atodika amin’ireo mpijery ary somary atao mihajanka mihitsy aza izy ireny. “Kolontsaina” marina ve no tiana hapariaka sa “Kolopitombenana” mety hitarika hatrany amin’ny toe-tsaina mivaona amin’ny maha Olombelona manam-panahy sy manan-kasina. Sao ho very hasina tanteraka isika Malagasy ka ho sahirana mihoatra an’izao e ? Saino sy diniho !


