Ny Mangenaky izay gadona sy fomba fandihy mampiavaka iny faritra atsimon’ny Toliara iny ao amin’ny foko Masikoro no ezahan’ny Groupe « Mamaly 2 » voizina ankehitriny. Mifototra tanteraka amin’ny fampiasana ny kabosy ravahana feo voarindra sy voazara amin’ny endrika kanto ny « Mangenaky » izay lova avy amin’ireo razambe any amin’ity faritra ity ary fanao amin’ny fora zaza sy ny fotoanan’ny tromba.
Ho tazonina
Ezahanay ho tazonina ny endrika maha kanto nentim-paharazana ny « Mangenaky », hoy i Mandigny, mpitarika ny « Mamaly 2 », mba tsy hahavery ilay soatoavina raiketiny. Tsy hisy, araka izany, ny fampiasana ireo zavamaneno mavesatra toy ny gitara beso sy ny vatamaroafitsoka fa dia ny aponga maroanaka no entina hanatevenana ny feon-kabosy sy ny feomangan’izy 04 mirahalahy mandrafitra ny tarika. Ampahany amin’ireo vazo efa ankafizin’ny maro ny « kabosy tiako». Andalana ho amin’ny fiketrehana ny kapila mangirany ankehitriny ny tarika. Maro ireo vakomanitra mbola mila trandrahana any amin’ny faritra saingy toa ny hivoy ny kantom-bazaha no maha maika ireo mitonona ho Mpanakanto ankehitriny. Sao ho lasa Valalan’amboa izy ity e !!!


