NY RADO RAFALIMANANA : Hitohy rahampitso ny fanadihadiana eny amin’ny Fampanoavana

Avy hatrany dia teny anivon’ny Fitsarana no nitondrana ny raharahan’i Ny Rado Rafalimanana androany fa tsy nisy intsony ny famotorona natao azy teny amin’ny zandarimarian’ny Toby Ratsimandrava.

Araka izany dia nisy ny famotorana nataon’ny Fampanoavana azy, izay tsy dia naharitra loatra satria mbola hiverina eny ity Filohan’ny  Fikambanana « Ny Fanahy maha-olona »  ity rahampitso.

Fitoriana maromaro

Fitoriana maromaro moa no mahakasika ity mpanao politika ity. Anisan’izany ny famakiany ny sakan’ny  zandary tany Vohidiala nandritra ny fanaterany fanampiana ho an’ireo traboina.

Teo ihany koa ny fisolokiana andraikitra sy fampiasana hosoka noho ny fanambarany fa mpikambana eo anivon’ny  Intergouvernemental Collaborative Action Fund for Excellence (ICAFE) ny tenany.

Araka ny voalazan’ny ao amin’ny sampandraharaha misahana ny Firenena Mikambana, izay nangatahan’ny Ministeran’ny Raharahambahiny anefa dia tsy misy io fikambanana io. Io anefa no voambara ho nahazoan’i Ny Rado Rafalimanana fahazoan-dàlana ara-diplaomatika, ka isoloany tena.

Tsy mahazo mivoaka

Tahaka ireo olona rehetra ahiahiana ho nanao ny tsy ara-dalàna dia efa namoahan’ny Fanjakana didy tsy mahazo mivoaka ny faritry ny Nosy ihany koa Ny Rado Rafalimanana.

Torak’izany ihany koa moa ny Tale Jeneralin’ny Cnaps teo aloha, Rabekoto Raoul Arizaka, izay ahiana ho nanodinkodim-bolabe tao amin’ity orinasam-panjakana ity.

Nisinisy ihany tao ho ao ny olona ambony mila fanadihadiana noho ny raharaham-bola. Asa na hipaka hatramin’ny farany ny raharaha fitsarana azy ireny na ho very an-javony ihany.
Fiveren’ny fitokisan’ny vahoaka ny Fitondrana anefa ny fanenjehina ireo tsimatimanota hatrizay.

Vous aimerez aussi