Volan-kakafotra, ny omaly tsy miova ! Io no azo ilazana ny lafiny tsifandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidna ary mipaka hatrany amin’ny faritra. Tsy andro, tsy alina, fa handrenesana hatrany fanafihana mitam-piadiana, vaky trano, fanendahana, fanolanana, sns.
Very fanahy mbola velona manoloana izany ny Malagasy. Ankoatra ny tebitebin-tsaina ateraky ny fisian’ny covid- 19 dia tsy maintsy hatrehana ihany koa ny olan’ny tsifandriampahalemana. Vokany, mihena ny risim-po hoenti-miasa sy mamokatra. Manahy hatrany ny amin’ny ain’izy ireo ny Malagasy noho ny asa ratsin’ireo maty eriteritra mpivelona amin’ny hatsembohan’ny hafa.
Mila hiraviravy tanana ny ankamaroan-dRamalagasy. Ny avy eo anivon’ny tomponandraikitra miahy ny fandriampahalemana toa ireo mpitandro ny filaminana tsy mitsahatra ny mamoaka fanambarana fa efa manao ny ezaka rehetra ho amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana. Hatreto aloha, mbola sobakaka ambody riana mandrakariva ny ambanilanitra ary mandry andriran’antsy tanteraka noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Sao mila manova paikady vaovao ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana mba hahitam-bokatra kokoa ny asa fampandriana fahalemana ataon’izy ireo ankehitriny ? Ny lafiny fampitaovana azy ireo mantsy hita fa efa misy fihatsarany hatrany. Izy ireo ihany koa efa « matihanina » amin’ny fanatanterahana ny asany.


