Olona 3 indray no sitrana ka nivoaka ny hopitaly tamin’ity andro ity. Tsy nisy koa ny olona vaovao voatily ho nitondra ny otrikaretina.
Mijanona ho 121, araka izany, ny isan’ireo marary hatrizay. Ary 44 ny isan’ireo sitrana rehetra.
77 izany no sisa tsaboina ary anefa koa tsy misy ny marary mafy. Mazava, noho izany, fa tsy misy ny matin’ity valanaretina ity.
Hitombo ny famezivezena
Noho ny fepetra noraisin’ny Fitondrana dia hitombo ny olona hifamezivezy manomboka rahampitso. Hiasa ny ampahan’ny mpiasam-panjakana sy ny tsi-miankina. Hianatra ihany koa ny mpianatra amin’ny kilasim-panadinana.
Noho izany, hitatitra ihany koa ny ampahan’ny taxibe ary hiasa koa ny taxi.
Hamafisina ny fepetra
Manoloana izany no anentanana ny rehetra mba hanamafy hatrany ny fepetra ho fiarovana ny tena sy ny hafa. Anisan’izany ny arovava, izay tokony hanarona tsara ny vava sy ny orona fa tsy atao ambany saoka.
Manaraka izany ny fanasana ny tànana matetika araka izay tratra.
Mila afohezina ihany koa ny dia ho an’izay tsy maintsy mivoaka fa tsy natao hitsangatsanganana ireo taxibe fa natao ho an’ireo mpianatra sy mpiasa ihany.


