Iray volana no niainan’ireo mpampianatra ny kaliverin’ny fahasahiranana nateraky ny fihibohana noho ny fihanaky ny valanaretina covid- 19. Ampahany amin’ny hazo fijaliana nobaben’ ny maro tamin’izy ireo nandritra izany ny tsy fandraisan-karama. Nisy ampahany tamin’ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina ihany koa nandray ny antsasan-karama.
Tsy misy mihaino sy miraharaha
« Efa imbetsaka izahay no nitaraina tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena saingy tsy nisy valiny sy akony ary vahaolana avy amin’izy ireo », hoy ity mpampianatra iray. Ireo tompon-tsekoly etsy andaniny misy ny manararaotra tsotra izao ny zavamisy koa sahy mandà ankitsirano ny hanefa ny tambin-karaman’ireo mpampianatra. Maro amin’ireo mpampianatra misehatra anivon’ireo sekoly tsy miankina, araka izany, no efa misedra olana lalim-paka amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro. Singanina amin’izany ny fanefana ny hofan-trano, ny fitadiavana ny sakafo harapaka isanandro, sns.
« Mailaka aoka izany ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana miantso ireo mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina hanampy tosika azy ireo amin’ny fanatanterahana ireo fanadinam-panjakana, saingy mihisatra sy tsy miasa saina akory kosa izy ireo rehefa tojo fahasahiranana tahaka izao izahay », hoy hatrany ity mpampianatra nitafa taminay naneho ny alahelony. Ny miahy ny vahoaka, io no antom-pisian’ny fanjakana. Moa ve mahatontosa izany ireo mpitondra fanjakana ankehitriny ? Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ireo mpampianatra Fram amin’ny sekolim-panjakana ihany koa dia mbola tsy naharay ny valin-kasasaran’izy.


