Raikitra ny sakoroka tao amin’ny distrikan’i Toamasina, faritra Atsinanana, ny alakamisy lasa teo. Anisan’ny tafiditra ao amin’ny fahamehana ara-pahasalamana i Toamasina, ka tokony nanaraka ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ny vahoaka tany an-toerana, saingy, mbola nisy no nikiribiby nivoaka ny trano sy nanao ny asa fitadiavany, indrindra fa ny mpitarika posy sy ny mpitondra tuc tuc. Tsy navela niasa izy ireo, satria, mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus ao Toamasina, dia naato tamin’ny asany ireo mpitarika posy sy ny tuc tuc ireo. Tsy nanaiky ireo farany, ka raikitra ny fidinana an-dalambe sy ny sakoroka tany an-toerana. Voatery nanapoaka lakrimozena ny mpitandro ny filaminana nentina nanaparitahana ireo mpitokona. Namaly tamin’ny torabato koa ireo mpitarika posy sy tuc tuc tsy navela niasa, ka mpitandro ny filaminana iray no naratra. Nisy ihany koa ny trano may tao Toamasina. Nandray ny solontenan’ireo mpitokona ny Praiministra Ntsay Christian, ny governora, ny Ben’ny tanàna ary nitady ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana. Napetraka tamin’ireo mpitokona aloha ny fepetra rehetra, dia ny tsy tokony hivoahany ny trano, tsy hitangorona amin’ny toerana iray, izay ahiana mety hiparitahan’io valan’aretina coronavirus io. Hita ny marimaritra iraisana taorian’izay, ka nilamina ny tany Toamasina, hoy ireo tompon’andraikitra.


