MPANAKANTO MALAGASY : Mahatsiaro tena ho kamboty

Samy efa nandraisan’ny fanjakana foibe fepetra sy nitondrany fanampiana avokoa ireo sehatrasa maromaro eto amin’ny firenena noho ny valanaretina coronavirus, saingy hatreto aloha toa hadino izahay mpanakanto. Io no fanehoan-kevitra nentin’ity mpanakanto iray nisafidy ny tsy hitonona anarana.

Vanimpotoana fisokafan’ny taom-piasan’ireo mpanakanto amin’ny alalan’ny fanatanterahana fampisehoana mitety faritra ankehitriny. Tsy afa manoatra anefa izy ireo noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto an-tanindrazana. Tsy ireo mpanakanto ihany no mizaka ny fatiantoka fa eo ihany koa ireo mpikarakara fampisehoana izay maro amin’izy ireo no efa nampiasa vola mialoha ho amin’ny famandrihana ireo mpanakanto, fanofana ny toerana hanaovana ny seho, ny fanamafisam-peo, sns. Indrisy anefa fa foana avokoa ny hetsika nokasaina hitadiavam-bola rehetra.

Tsy vao tamin’ity fisian’ny valanaretina ity ihany no mahatsiaro ho tsy misy mpiahy loatra ireo mpanakanto fa efa hatramin’izay mihitsy, hoy ny mpikarakara lanonana iray. Efa im-betsaka ireo mpanakanto, ohatra, no nitaraina amin’ny vokadratsin’ny fisian’ireo mpanao piraty saingy hatreto tsy hita soritra ny vahaolana maharitra. Tsy mbola misy drafitra ara-tsosialy mazava hoentina miahy sy manampy ireo mpanakanto ihany koa eto amintsika.

Inoana fa efa mijery akaiky ny fomba hanatanterahana na hametrahana ny haratonaina ho an’ireo mpanakanto sy mpikarakara lanonana ihany koa ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny fifandraisana. Sehatrasa anisan’ny voa mafy noho ny fandalovan’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara ihany koa mantsy ny lafiny zavakanto koa mila zahana akaiky.

Vous aimerez aussi