Ny zokiolona, ny mpampanofa fahafinaretana, ireo tsy manan-kialofana,… samy efa noheverina avokoa ny fomba hanampiana azy ireo manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Mba ahoana kosa ny momba anay manana fahasembanana, hoy ity tovolahy tojo anay ?
Ireo olona sembana izay tsy afa manoatra amin’ny zavamisy ankehitriny. Maro amin’izy ireo no efa manomboka very fanantenana noho ny tsy fisian’ireo tomponandraikitra nijery akaiky ny momba azy ireo manoloana ny fandalovan’ny valanaretina ankehitriny.
Ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy izay tomponandraikitra voalohany amin’izy ireo aloha hatreto tsy hahenoam-peo manodidina izany. Ireo fikambanana tsy miankina mpanao asa soa no hany miezaka amin’izay kely vitany ho amin’ny fitondrana fanampiana ho azy ireo ao anatin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao. Tsy mahasehaka ny filan’ireo manana fahasembanana anefa izy ireny fa mila ny fifanomezan-tanana eo amin’ny rehetra indrindra fa ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy izany.


