ANDRAISORO : Tsy voahaja ny fepetra tsy ivezivezena amin’ny alina

Amin’ny alina vao mba misy ny famatsiana rano ho an’ireo mponina eny Andraisoro. Vokany, tsy voahaja ny fepetra noraisina amin’ny tsy tokony hivoahana ny trano manomboka amin’ny 08 ora alina hatramin’ny 05 ora maraina. Nomarihan’ireo mponina eny Andraisoro fa manomboka amin’ny 11 ora alina izy ireo mamoaka ireo « bidons » mavo sy mandahatra izany. Amin’ny misasakalina kosa anefa, hoy ihany izy ireo vao mba misy rano zara fa mandeha amin’ny vavan’ireo paompy natokana ho an’ny besinimaro ary mitsahatra tanteraka izany amin’ny 04 ora maraina.

Voafetra sy ratsy kalitao

Efatra « bidons » isan’olona ihany no rano zaraina amin’ireo mponina eny Andraisoro. Mitaraina ireo mponina fa tsy maharaka ny filan’izy ireo ny rano azo eny an-toerana. Manentana ho amin’ny fanasana tanana matetika ny fanjakana iadiana amin’ny fipariahan’ny coronavirus, hoy ny solontenan’ny mponina iray eny Andraisoro saingy ny rano anisan’ny singa iray ahafahana manatanteraka izany aza ety aminay zara raha misy. Ankoatra ny tsy fahampian’ny rano mbola ahitana loto ihany koa ny rano tonga eny Andraisoro.

Tsy ny eny Andraisoro ihany mandraka ankehitriny no miaina ny olan’ny famatsian-drano fa efa mizaka izany hatramin’izay ny eny Bemasoandro Itaosy, Ambohimangakely, Ambohimahitsy, … Hatreto aloha tsy mbola voapetraka ny vahaolana maharitra fa ny fametrahana ireo siniben-drano isam-paritra izay vatsian’ireo fiarabe mpitatitra rano no napetraky ny avy eo anivon’ny orinasa Jirama.

Vous aimerez aussi