DISTRIKAN’ATSIMONDRANO : Zokiolona 450 nahazo vary 25 kilao isan’olona

Ny alakamisy lasa teo no nozaraina fanampiana avy tamin’ny Filoham-pirenena ireo zokiolona sy ireo olona marefo ara-pivelomana. Zokiolona miisa 450 avy ao amin’ny distrikan’Atsimondrano, no nisitraka izay fanampiana izay, ka nozaraina vary 25 kilao isan’olona, voamaina, menaka, koba aina, mba ho hery fiarovana sy ara-pahasalamana ho azy ireo no nanolorana izao fanampiana avy amin’ny filoha izao. Tonga nanolotra izao fanampiana ho an’ny be antitra izao ny fikambanana Fitia, ny solontenan’ny Prezindasa, ny avy ao amin’ny ministeran’ny mponina. Raha ny zavatra hita ny alakamisy teo aloha, dia hita fa tsy voahaja ny fepetra 1 metatra, ny fitangoronan’ny olona sy ireo zokiolona, sns…. Nefa amin’ireny olona mivory ireny no ahiana mety hiparitahan’ilay valan’aretina coronavirus. Hita ho mafy loha, sarotra atoro sy tenenina ny olom-pirenena, nefa tokony hanaraka ireo fepetra izay napetraky ny fanjakana ny tsirairay. Raha izay no voahaja dia ho foana ity aretina ity, hoy hatrany ny fanazavana.

Vous aimerez aussi