Tsy fanaovana asa ho an’ny daholobe intsony na ny “Travaux d’Intérêt Général” na manadio zaridaina na mamafa lalana, sns, no hatao amin’ireo olona tratra izay tsy mitondra arovava manomboka anio, fa avy hatrany dia ho samborina izy ireny ary tazonina atao famotorana ary omena sazy henjana sy mafy, hoy ny jeneraly Elack Olivier, tompon’andraikitra voalohany amin’ny fibaikoana amin’ny ady atao amin’ny Covid19 na CCO – COVID19 eny Ivato.
Antony, hoy ny fanazavany dia ny fiparitahan’ilay aretina coronavirus eto Antananarivo. Nihazakazaka mantsy ny fivoaran’ny antontan’isa teto an-drenivohitra tato anatin’ny andro vitsy izay, hoy ny fanazavana, ka nandraisana izao fepetra hentitra izao. Na dia efa niteny aza ny filoha, fa halefahana ny fihibohana eto Antananarivo, dia tokony tsy hanao ambanin-javatra amin’ny fahasalamana isika, hoy ity tompon’andraikitra ity. Namory ireo vondron’ny mpitandro ny filaminana ny tenany omaly teny Ivato, ka tapaka, fa fisamborana no hatao amin’ireo olona izay tsy manao arovava.
Tsy vita, hoy izy ny ady ataontsika amin’ity covid19 ity raha tsy manaja ireo fepetra isika ary mifanolo-tànana, ka izao no antony nandraisana ireo fepetra ireo. Mbola tsy azo hatao ihany koa ny mamory olona mihoatra ny 50 na dia ao anatin’ny fankalazana ny asaramanitra aza isika, hoy hatrany ity manamboninahitra ity, satria mbola ao anatin’ny “Etat d’Urgence Sanitaire”, ny faritr’Analamanga, hoy izy.


