COVID-19 : Hananika ny 1 000 isan’andro ny fitiliana

Hahatratra hatramin’ny 1.000 isa isan’andro amin’izay ny fitiliana hatao eto Madagasikara raha mikasika ny valanaretina covid-19 fotsiny.

Tamin’ity maraina ity manko no notokanana ny laboratoara La2M, na ny Laboratoires d’Analyses  Médicales Malagasy, etsy Androhibe.

Voalaza ho raitra avokoa ny fitaovana rehetra ao amin’ity laboratoara ity ka afaka mitily ny tsimokaretina covid-19 miisa 700 isan’andro. Izany hoe hahatratra hatrany amin’ny 1 000 ny isan’ny fitiliana ho vitantsika isan’andro, ka iadiana amin’ity valanarertina miha-mihanaka izaitsizy ity.

Ankoatra ny coronavirus dia manao ny fitiliana samihafa koa ity laboratoara ity. Anisan’izany ny pesta, ny kolera, tiberkilaozy, ny tazomoka, ny Sida,…

Nanterin’I Andry Rajoelina nandritra ny fotoam-panokanana fa maimaipoana avokoa ny fitiliana rehetra atao ao amin’ity laboratoara ity. Andrasana izany ny firotorotoan’ny olona ho eny satria ny hamaroan’ny fitiliana vita no tena iatrehana ny ady.

Vous aimerez aussi