MPIVAROTRA ETSY ANDRAVOAHANGY : Tadiavina esorina amin’ny toerany… !

Tsy faly ary naneho ny hatezerany ireo mpivarotra etsy amin’i Masikara Andravoahangy, satria tadiavina esorina amin’ny toerana hivarotany ireo mpivarotra. Nambaran’izy ireo, fa norahonan’ny lehiben’ny tsena izy ireo, satria, “3 andro no afaka mivarotra ireto mpivarotra ary aorian’izay dia ahohoka ny vilaniny”, hoy ny sorabaventy narantin’ireto mpivarotra ireto. Tsy faly tamin’izany izy ireo ka niray hina ary nanao grevy nanomboka ny alatsinainy sy ny talata lasa teo ary hitohy anio alarobia izany, raha tsy misy ny fiovany. Vao maraina mantsy dia efa feno mpitandro filaminana teny an-toerana ary nosakanana tsy navela hivarotra.  Ny ankamaroan’ireo mpivarotra anefa dia mivelona amin’io fivarotana io avokoa ary ao no mamelona vady aman-janaka sy mandoa saram-pianarana, sns, nefa dia izao tadiavina ahohoka izao ny vilany fitadiavan’izy ireo. Raha ny resaka mandeha, hoy ireo mpivarotra dia hanaovan’ny mpitantana ny kaominina fotodrafitr’asa io toerana io ary izay no antony hanesorana ireo mpivarotra. Tsy vitan’izay, fa tsy misy  ny tsena sy ny toerana hamindrana azy ireo,fa dia esorina tsotra izao izy ireo. Miantso ny filohampirenena  ireo mpivarotra mba hijery sy hamaha izao olan’ny tsena izao, satria tapin-dalan-kaleha izy ireo, raha tsy afaka mivarotra intsony. Andrasana ny mety ho tohin’ity fanalana mpivarotra amin’ny tatatra etsy Masikara Andravoahangy ity.

Vous aimerez aussi