Jiro « led » miisa 30 no natolotry ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo hoentina hanazavana ny tanànan’i Tsiroanomandidy. Raha tsiahivina, efa an-taonany maro no tsy nirehitra intsony ireo takamoa nihantona teny amin’ireo andrin-jiron’ny jirama any Tsiroanomandidy. Vokany, maizina ny tanàna ary manjaka ny asan-jiolahy.
Hitondra fandriampahalemana sy fampandrosoana
Nomarihan’ny ben’ny tanànan’i Tsiroanomandidy, Razafindradoy Mananjara Jaona, fa antoka iray ahafahana mampanjaka ny fampandriampahalemana sy ho fanamorana ny asa fampandrosoana kasaina hatao ny fahazoana ireto jiro ireto. Ny any Tsiroanomandidy izay tena marisarisa tokoa ny lafiny fandriampahalemana. Tsy ny any ambanivohitra ihany fa tsikaritra ihany koa ny fisian’ny fanafihana, vaky trano ary halabotry amin’ny endriny samihafa ao an-tampon-tanànan’i Tsiroanomandidy.
Hifanome tanana amin’ny fametrahana ireio jiro led miisa 30 ireo ny avy eo anivon’ny kaominina ambonivohitry Tsiroanomandidy sy ny orinasa Jirama. Nanentana hatrany ireo mponina ny ben’ny tanàna any an-toerana mba hahay hikajy sy hikolokolo ireto fotodrafitrasa vaovao ireto. Nahavelom-bolo ireo mponina ny fahatongavan’ny fahazavana an-dalambe amin’izao ankatoky ny asaramanitry ny 26 jona izao. Tsiranomandidy izay azo ambara fa ambohipihaonan’ireo olona mpila ravinahitra avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.


